airtel

Politique

29-juin-2021

Politique

Marc Ravalomanana “Tsipahinay iny didin’ny HCC iny”

Sample post image

Nisy ny fivoriana nataon’ny Birao politikan’ny Antoko TIM sy ireo mpahay lalàna eo anatrehan’ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mikasika ny sata mifehy ny mpanohitra.

29-juin-2021

 Nilaza I Marc Ravalomanana, fa mbola tsy manan-kolazaina firy aloha izao, fa eo am-pandinihana tanteraka. Nanitrikitrika sahady kosa, fa “zavatra tsy mifanandrify velively amin’ny lalàmpanorenana ny zavatra navoakan’ny HCC. Eo am-pandihina azy tsara izao”. Tsy azo atao ny manitsakitsaka ny lalàmpanorenana, ary ny Filoha raha vao mihaniana voalohany amin’ny lalàmpanorenana dia ny hoe hanaja toy ny anakandriamaso, hoy i Marc Ravalomanana. Notsiahiviny ny voalazan’ny andininy faha-14: “Zon'ny olona rehetra no mivondrona an-kahalalahana ao anaty fikambanana, nefa tsy maintsy manaraka ny voalazan'ny lalàna. Toy izany koa ny momba ny zo hanangana antoko politika. Ny lalàna momba ny antoko politika no mametra ny fomba entina manangana sy mamatsy vola azy ireo. Raràna ny fikambanana sy ny antoko politika izay manohintohina ny maha-iray tsy mivaky ny Firenena sy ny foto-kevitra repoblikana, sy izay manindrahindra fanjakazakana na fanavakavahana ara-pirazanana, ara-poko na ara-pinoana. Mandray anjara amin'ny fanehoana safidy ny antoko sy fikambanana politika. Ny Lalàmpanorenana no miantoka ny zo hijoro ho mpanohitra amin’ny fomba demokratika. Aorian’ny fifidianana solombavambahoaka, ny vondrona politika mpanohitra dia manendry ny lehiben'ny mpanohitra. Raha tsy misy ny fifanarahana dia ny lehiben’ny vondrona politika mpanohitra izay nahazo vato manan-kery be indrindra tamin'ny latsa-bato no heverina ho lehiben’ny mpanohitra. Ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny antoko mpanohitra, eken'ity Lalàmpanorenana ity sy manome azy indrindra ny sehatra ahafahana haneho hevitra, dia faritana amin’ny alalan’ny lalàna”, hoy ny fampahatsiahivan’i Marc Ravalomanana ny lalàmpanorenana. Notsipihina fa tsy azo adika amin’izay tiana handikana azy ny lalàmpanorenana. Mitsipaka ny voalazan’ny didin’ny HCC izay tsy mifanandrify amin’ny voalazan’ny lalàmpanorenana noho izany i Marc Ravalomanana.



Ny zavatra hitranga izany dia tahaka ny gadra ao amin’ny antenimieram-pirenena ilay lehiben’ny mpanohitra ka ao no hametrahana izany. Ny TIM izao no mpanohitra, kanefa ny TIM manana baikom-pitolomana ary tsy hametraka olona ao. Ny mpitondra ihany ve izany no hamolavola mpanohitra hanohitra azy ao. Izay olona nifaninana tamin’ny fifidianana farany, ka ny iray lany ary ny iray tsy lany, ka izay tsy lany no lasa lehiben’ny mpanohitra mazava ho azy. Ran any fijery manaraka ny lojika faran’izay tsotra dia Atoa Ravalomanana no lehiben’ny mpanohitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap