airtel

Politique

22-nov-2021

Politique

Marc Ravalomanana “Tsy hilefitra amin’ireo intsony aho”

Sample post image

Tena latsaka anaty fahantrana ny vahoaka Malagasy: fahantrana ara-tsaina, fahantrana ara-pananana sy ara-bola, ny ankizy tsy afa-mianatra,…

22-nov-2021

 Vahaolana amin’izany maka fahefana ihany, ny fahendrena dia manova toe-tsaina hoe: mila miray hina, ary jereo ny olona any ivelany any, fa rehefa misy tsy mety dia tsy manaiky lembenana, hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny faran’ny herinandro teo teny Bel’Air nandritra ny hetsika fameloma-maso na “redynamisation” ho an’ny Antoko TIM ao anatin’ny Boriborintany faha-3. “Tsy maintsy ataontsika izay ahazoana ny fahefana na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, tsy maintsy miara-miezaka isika. Izay no ilàna ny antoko mpanohitra, ka ny tsy famelanareo anay mba hanao hetsika na diabe miaraka, dia midika fa tena matahotra anay ianareo”, hoy ny Filoha teo aloha. Nanamafy I Marc Ravalomanana, fa ny ilàna ny antoko mpanohitra dia mba hisian’ny fifandanjan-kery na “équlibre de pouvoir”. Miteny hoe: mba jereo ny vidim-bary, olona tsy mihinan-kanina,… Izao terena fotsiny, olona tsy mahalala izay ambonin’ny tany, dia manaiky fotsiny sy noraharahian’ny mpitsara mihitsy ny fitakiantsika tamin’ny “2ème tour”, fa dia iray ao anatin’ny fitoriana 7000 na 700 no azo raisina izy rehetra. Nisy manam-pahaizana maro momba ny lalàna, mpampianatra mpikaroka, parlemanta,… moa no voalaza fa nandrafitra ny fitoriana tamin’izany, saingy azo raisina fa tsy mitombina no setriny. Amin’ity isika tsy handefindefitra izany intsony, tena alefa Dada fa tsy hilefitra amin’ireo intsony aho. Raha tiana ny hisian’ny fitoniana sy ny fampandrosoana marina eto amin’ity firenena ity, dia mila mandray risika tsara isika. Mila sahy, ary tsy izay olona rehetra mampitahotra ahy akory dia tsy hampihetsika ahy hoe tandremo tsara prezida fa sao… Andriamanitra no tompon’ny aina, ary miteny anareo sy mila anareo vonona aho na rahoviana na rahoviana ary na aiza na aiza, tsy hamitaka anareo mihitsy aho ary ianareo tsy hamitaka ahy, fa ho toy ny mpirahalahy mianala isika”, hoy I Marc Ravalomanana. Nanome toromarika ny mpomba azy ny Filoha teo aloha, fa tsy azo ekena mihitsy ny fifanilikilihana, tsy maintsy miray hina, ary raha nisy ny zavatra tsy nety tany aloha, dia ifananarana sy hifanitsiana,… satria tsy mety raha ny samy ao anatiny no misara-bazana. Toa nampahatsiahy ny nambarany ny 10 aogositra teny amin’ny Magro Behoririka ny Filoha teo aloha amin’ny fanambarana fa haka fahefana hatrany ifotony, ka nilazany fa tsy maintsy atao izay ahazoana ny fokontany. Voalazan’ny lalàmpanorenana fa afaka mifidy olona 3 ny sefom-pokontany, ka ao anatin’io no isafidianan’ny lehiben’ny distrika, saingy amin’izao atao tian-kano tsy tian-kano, raha ny nambarany. Ny azo hamintinana azy, dia hafana ny toe-draharaha politika, ka samy mijery sy miandry ny fivoarany.
Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap