airtel

Politique

12-sept-2022

Politique

Marefo sy ho rendrika ny Fitondrana Miantso fikaonandoham-pirenena ny MMM

Sample post image

Miova tsikelikely ny sary politika mialohan’ny fifidianana. Nanambara ny Antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) tarihin’Atoa Hajo Andrianainarivelo,

12-sept-2022

fa marefo ny fahefam-panjakana ankehitriny manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana izao, mazava fa misy zavatra tsy mandeha eto satria mivoaka daholo ny antontan’isa ka tokony hifampidinihana,... Isan’izany ny nilazan’ny Banky Iraisam-pirenena fa 80,2% ny tahan’ny mahantra. 75 ilay izy, lasa 80%. Ny tahan’ny fiakaran’ny harin-karena tamin’ny 2021 dia 4,4%, amin’ity 2022 ity vinavinaina ho hotonga any amin’ny 2,8%, nihemotra izany isika, ka na inona na inona fomba filaza, dia tompon’andraikitra ny Fitondrana, hoy Atoa Hajo Andrianainarivelo. Ara-politika, naneho fa tokony hirosoana ny fikaonandoham-pirenena hijerena vahaolana hoentina hirosoana amin’ny fifidianana ny MMM. Fikaonandoham-pirenena hoenti-manatsara ny rafi-pifidianana anefa fa tsy hoentina hizarana seza ao anaty Fitondrana satria raha ny MMM dia tao anatin’io no nivoaka raha ny nambaran’ny Filohany. Naneho moa ny MMM fa tsy ao anatin’ny vovonana miara-dia sy manohana ny fitondrana ankehitriny intsony. Nilaza ny MMM fa efa nandray anjara tamin’ny fifidianana hatramin’izay, ary vonona handray anjara satria ny tsy manana olom-boafidy aza vonona mainka fa izy ireo izay efa manana isan’ambaratongany. Na izany aza, miombon-kevitra ny MMM fa tokony hapetraka ny lamina fitsipi-dalao mazava ara-pifidianana satria isan’ny lesoka ny tsy nahatanterahan’izany. “Tamin’ny 2017, nisy ny kaomisionina fakan-kevitra niraisan’ny Malagasy, voasolo tena ny antoko politika samihafa, nialohan’ny fifidianana 2018 io, nodinihin’ny samy Malagasy ny zavatra tokony hohatsaraina sy tokony hamboarina amin’ny fikarakarana sy fanomanana ny fifidianana: CENI, HCC isan’ny voaresaka tamin’izany. Ny mahavariana dia tsotra, tsy nisy notanterahina izy ireo, ny vokany dia iny fihetsiketsehana tamin’ny 2018 iny notarihin’ny depiote 73 sy ny lalàm-pifidianana nifandroritana. Midika izany fa misy zavatra tsy mety ao anatin’ny fifidianana”, hoy I Hajo Andrianainarivelo. Tsy hizara seza anefa no hatao amin’ny fikaonandoham-pirenena, fa fametrahana fitsipi-dalao mazava amin’ny fifidianana, ary efa tao no niala ka tsy hiverina ao ny MMM, araka ny nambaran’ny Filohany.


MIJERY NY TSIO-DRIVOTRA POLITIKA SY JEOPOLITIKA
Tsy tongatonga ho azy ny fanambaran’ny MMM. Tsara ny mampahatsiahy fa ny 11 martsa 2022 nialohan’ny fanovana governemanta ny 17 martsa no nanambara ny tsy handraisany anjara ao intsony ny MMM, nanambara ihany koa fa miandany amin'i Ukraine sy ireo firenena tandrefana, raha toa ka nisafidy ny tsy hiandany kosa ny Fanjakana. Nisy ny filazana taorian’izay, fa ny fialana tao anaty governemanta no natao, fa mbola manohana sy miara-dia amin’ny fitondrana. Ankehitriny, nilaza mazava fa tapaka tanteraka ny tady, tsy anaty vovonana miara-dia amin’ny fitondrana intsony. Matoa manao an’izay ny MMM, mijery ny tsio-drivotra politika anatiny sy ny jeopolitika, tsy ao intsony ny làlana, ary mety ho rendrika ny sambon’ny volomboasary, ka naleony niala nialoha. Naneho ny ahiahiany momba ny fifidianana ho avy ny Vondrona Eoropeanina amin’ny zavatra maro tokony hohatsaraina, ny tsy fahatokisana loatra ny CENI sy ny HCC, ny mpanohitra niantso fikaonandoham-pirenena hametrahana fitsipi-dalao mazava ara-pifidianana, ary efa mirona amin’izany ny MMM izay avy tao anaty Fitondrana. Tsy tongatonga ho azy izany sary politika sy ara-jeopolitika izany. Manao pi-maso amin’ny Tandrefana sa efa isan’ny olon’ny Tandrefana i Hajo Andrianainarivelo sy ny MMM ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap