airtel

Politique

10-mai-2024

Masoivoho Amerikanina

« Atsaharo ny herisetra sy fandrahonana ary ny hosoka »

Sample post image

Porofon'ny fahavononana hampihatra ny demokrasia izao dingana lehibe izao,

10-mai-2024

raha ny nambaran’ny Masoivoho Amerikanina eo anatrehan’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana solombavambahoaka eto Madagasikara. Nanipika anefa izy ireo, fa zava-dehibe ny fanatanterahana ny fifidianana malalaka sy ara-drariny ary am-pilaminana. Noho izany, nanentana ny vahoaka Malagasy handray anjara mavitrika amin’ny fidianana ny bekintana, saingy tokony hizotra am-pilaminana, tsy misy herisetra sy fandrahonana ary hosoka. « Manan-danja lehibe eo amin'ny fifandraisanay maneran-tany ny fampiroboroboana ny soatoavina demokratika, ary manohana ny ezaka rehetra mba hisian'ny fifidianana mangarahara eto Madagasikara izahay », hoy hatrany ny eo anivon’ny Masoivoho Amerikanina. Noho izany, manao antso avo amin’ny mpitondra sy ireo mpilatsaka hofidiana ary ny olom-pirenena rehetra eto Madagasikara izy ireo mba hanao fampielezan-kevitra am-pilaminana sy mampivoatra izay maneho ny tena fampiharana ny demokrasia sy ny fametrahana fanjakana tan-dalàna. Manara-maso akaiky ny fifidianana sy ny toe-draharaham-pirenena eto ny Amerikanina, ary mahalala zavatra maro. Sarotiny mafy amin’ny resaka fanajana ny demokrasia, ny Fanjakana tan-dalàna, ny zon’olombelona, ary vao tsy ela fa tamin’ny fifampiresahana momba ny fisitrahana ny tsenan’ny AGOA (African Growth Opportinuties Act). Miankina amin’ny fanajana an’ireny mahatsara na maharatsy ny fiaraha-miasa amin’i Etazonia.
Toky R
Sary fanehoana : Ny Ambasadaoron’i Etazonia Rtoa Claire Pierangelo

 

Dans la même rubrique

16-juin-2025

Mihamafy ny fipoahana sosialy ateraky ny olana samihafa miantraika ara-toekerana,

Card image cap
16-juin-2025

Hakiviana ny an’ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpanara-baovao

Card image cap
13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap