airtel

Politique

15-juil-2021

Politique

Masoivoho Frantsay Hotohizana haingana ny dinika momba ny « îles éparses »

Sample post image

Naneho ny Minisitry ny raharaham-bahiny Atoa Liva Djakoba Tehindrazanarivelo sy ny Masoivoho Frantsay eto Madagasikara Christophe Bouchard omaly,

15-juil-2021

 nandritra ny fanamarihana ny 14 jolay fetim-pirenena Frantsay tetsy amin’ny Résidence de France etsy Ivandry, fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fanamafisana ny fitoniana eo amin’ny fifandraisan’i Madagasikara sy Frantsa, ary isan’izany ny adihevitra momba ireo Nosy manodidina. Samy nilaza ny andaniny sy ny ankilany fa manam-pinihavana hanohy ny fifampiresahana momba io lohahevitra io, izay lafin-javatra niteraka fiakaran’ny maripana teo amin’ny fifandraisana tamin’ny volana lasa teo. Nilaza i Christophe Bouchard, fa mizara ny fahavonany hamerina haingana ny fifanakalozan-kevitra mikasika ireo nosy ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika i Frantsa. Nohamafisin’ny Minisitra Tehindrazanarivelo Djakoba Liva fa hafainganina faran’izay tratra io famerenana ny dinika io. Nambarany fa lasa sakana amin’ny fanatsarana ny fifandraisana ao anaty fitoniana ho an’ny firenena roa tonta io. Fampanantenan’ny Fanjakana Rajoelina ny hivoahan’ny fehin-kevitra momba ny famerenana ireo Nosy mialohan’ny 26 jona 2020, saingy ny 26 jona 2021 aza efa nodinganina. Efa nilaza moa ny Filoha Rajoelina ny 10 mey 2020, fa fitakiana ireo Nosy no atao fa tsy fiaraha-mitantana. Novoizina ny resaka fiandrianam-pirenena, ary lasa lohahevitra nakana fom-bahoaka io. Navadiky ny Frantsay ho tahiry ara-boajanahary nasionaly anefa ny Nosy Sambatra na Iles Glorieuses. Nambaran’ny Masoivoho Frantsay omaly, fa ny kaomisionina iraisana dia tsy maintsy hitady vahaolana ho amin’ny tombotsoan’ny tany roa tonta, hanombohana fiaraha-miasa mitera-bokatsoa amin’ny lafiny harena voajanahary, jono maharitra, fiarovana an-dranomasina amin’ireo faritra ireo. Raha halalinina amin’io, dia toa mizotra mankany amin’ny fiaraha-mitantana ny raharaha, fa tsy famerenana araka ny velirano.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap