airtel

Politique

16-sept-2021

Politique

Mbola mitoetra ny olana Mifampiahiahy ny samy manampahefana

Sample post image

Tsy mety mipetraka ny fahamarinan-toeran’ny Fanjakana Rajoelina aty amin’ny telo taona latsaka nitondrana ny firenena, eny fa nanova ekipa sy governemanta matetika aza.

16-sept-2021

Mbola mipetraka ny ahiahy, ary arakaraka ny nilazan’I Andry Rajoelina ny 15 aogositra tamin’ny governemanta, fa tsy afaka manao fahadisoana no toa vao mainka nampipoaka zavatra maro. Zary lasa mbola mitsapatsapa ny Filoha, ary navoakan’ny fampahalalam-baovao vahiny fa hoe: nilaza ny Filoha fa 6 volana ihany io governemanta io dia hiova izay tsy nisy fandisoana ofisialy avy amin’ny manam-pahefana Malagasy hatreto. Ny Praiminisitra moa iny efa iaraha-mahalala iny fa tompondakan'ny mody tsy taitra. Ny ao anatiny tsy mifampatoky sy misy tsy mifankahazo, toy ny hoe: minisitra sy minisitra lefitra tokony hiara-hiasa tsy mifankahazo, ny minisitra sasany dia izay hahamafy ny sezany no masaka ao an-dohany. Ny olom-boatendry sy olom-boafidy mifanebaka sy misy kakay,... Mbola resaka fampandehanan-draharaha ny fahitana ilay zava-misy fa tsy tena governemanta hiasa. Tsy milamina ny antokon’ny fitondrana sy mpanapa-kevitra, raha tarafina tamin’ilay hoe: tsy toy izao ny fandrosoana raha TGV daholo no notendrena ao anaty governemanta, saingy zara raha nisy TGV avy eo. Ireny niaraha-nahita ireny ny ampamoaka momba ireo mpikamban’ny governemanta. Io vaky io ny afera mahavoatonona ny anaran’ny Minisitry ny serasera mivady. Tsy misy firaisan-kinan’ny governemanta, tsy dia misy olona ambony maro miaro, fa ny “compte fake” no tena miasa. Misy tsy faly ao anaty fitondrana matoa vaky ny afera na raharaha mombana fiainana manokana. Tsy ny mpanohitra mihitsy no hahalala ny aty vilany any anaty lapa, ministera,… ary tsy hoe: mifoha maraina ny olona dia mahafantatra tsiambaratelo fa ny ao anatiny ihany no mandrefotra an’ireny. Tena misy olona ambony mampiasa vola mihitsy hanaovana an’io.
NY AO ANATINY NO MAHALALA NY ATY VILANY
Iny afera Lalatiana Rakotondrazafy mivady iny no toa vanja nanapoaka zavatra maro na ao anatiny na ety ivelan'ny fitondram-panjakana. Lasa mipoitra tsimoramora ny tsy fifankazahoana sy ny olan'ny ady seza eo amin'ny samy milaza fa mpomba an Rajoelina ka mandeha daholo ny paika sy tetika rehetra eny fa na dia ny fanaratsiana sy famoronan-dainga aza. Ny ao anatiny ihany no mamoaka vaovao sy tsiambaratelo fa tsy misy idiran'ny mpanohitra. “Ny mpanohitra no soketaina kanefa izy ihany no manontsana ny ao anatiny amin’ny alalan’ny kaonty fako”, hoy ny mpanao gazety iray. Mitoetra mandrakariva ny ahiahy, lany andro mamono afo, ambony ambany ny fitantanana raharaham-panjakana sy raharaham-pirenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap