airtel

Politique

04-avril-2022

Politique

MBOLA RAJAONAH Fa inona moa izany no tsy hitsarana azy ?

Sample post image

« Tsy misy teny ahafahako maneho ny fihetseham-poko, rotidrotika ny foko. Mitomany aho mivavaka, miantso vonjy mba ho an’ny vadiko.

04-avril-2022

Tsy anjely izy saingy laviko ny fanasokajiana azy ho olon-doza. Eny mety nanota izy,, mitovy amiko, mitovy amintsika rehetra. Ankehitriny, mangataka hatrany ny hisian’ny fitsarana tsy mitanila », hoy ny fitarainan-dRtoa Sitraka Rajaonah, vadin’i Mbola Rajaonah. Aminy sy ireo fianakaviana, ny vesatra hanenjehana ary indrindra ny mpisolavava, dia tsy mitraka fanamelohana ny vesatra, ary raha tena tsy maintsy hotsaraina sy melohina aza tsy mihoatra ny herintaona, kanefa efa telo taona mahery izao no nitazonana io mpandraharaha io. « Nambara fa heloka amin’ny fadin-tseranana na « Infraction douanière » ny dosie faharoa. Herintaona raha be indrindra ny ahafahana mitazona ilay olona amin’izany, efa namoaka didy ny “chambre de détention prévéntive” eo anivon’ny PAC ny 22 janoary 2022, fa tsy azo halavaina ny fitazonana, saingy nisy ny tsindry », hoy ny mpisolovava Eric Rafidison ny 11 martsa lasa teo. Tamin’ny alin’ny fisamborana, dia nilaza fa nisy olona ambony niantso. «Ny zavatra nolazaina ahy tamin’izay dia hoe asaivo mandoa vola 10 milliards Atoa Mbola Rajaonah dia tsy mifanala "plume" isika”, hoy io mpisolovava io. Tsy nanaiky izany anefa izy sy ny fianankaviana. Nisy ny horonam-peo azony momba io resaka io ary nalefany tany amin'ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Firenena Mikambana, ka mbola miandry ny tohiny.
TSY MISY HIDIRAKO, HOY I RAVATOMANGA
Ny zoma lasa teo, nilaza ny mpandraharaha matanjaka Mamy tsy avy aminy ny fanagadrana ity farany na ny nambarany. « Tsy misy hidirako ny fampidirana am-ponja an’i Mbola Rajaonah. Resaka kaontenera: vary, taratasin-gazety,… tsy nandoa hetra. Entana hafa no miditra, tahaka ny elekronika, maty antoka ny fanjakana. Tsy izaho no nanagadra azy, fa ny “infraction”, tsy afaka hibaiko ny fitsarana aho. Manoratra aty amiko tokoa izy, naharay taratasy roa aho, nifona, niala tsiny tamin’ny zavatra nataony, afaka mamela heloka azy aho, fa ny fitsarana… Tsy manana olana aminy aho amin’ny maha olombelona na betsaka aza ny zavatra nataon’ny tamin’ny fianakaviako », hoy izy. Ny heloka amin’ny fadin-tseranana izay sokajian’ny andaniny, fa tsy tokony hampigadra. Ity mpandraharaha matanjaka ity izay nivoy ihany koa tetsy ankilany, fa tsy tokony hifamotika ny samy mpandraharaha Malagasy. Fanontaniana mipetraka ankehitriny ny hoe : inona marina ary izany no mampitarazako ny fitsarana an’i Mbola Rajaonah ? Iza no manao izay hampitarazohana azy sy mandetika? Iza no mahazo tombotsoa amin’izany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap