airtel

Politique

23-févr-2021

Politique

Me Francesca, zanaky ny depiote Hanitra Natao maimaika ny fitsarana azy teny Anosy

Sample post image

Sazy mihantona 3 volana noho ny resaka faniratsirana mpitandro ny filaminana am-perinasa,

23-févr-2021

 lamandy 50 000Ar noho ny resaka fitondrana zava-mahadomelina. Io ny didim-pitsarana nivoaka omaly taorian’ny fiakarana fampanoavana sy fitsarana natao tamin’i Me Francesca Razafimahefa, zanak’i ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa. Raha hiverenana fohifohy ny tantara dia nosakanan’ny zandary teny amin’ny paositra Ampitatafika izy ireo ny sabotsy 20 febroary hariva teo, ary nentina tao nosavaina. Voalaza fa tsy nahitana na inona na inona. Nandeha nisolo « serviette hygiènique », ary rehefa nivoaka avy tao dia nambara fa nisy rongony nambara fa azy tao, rehefa nisy zandary niditra tao amin’ilay «toilette», hoy ny fanazava’ny reniny. Nanitritrikitrika kosa ny zandary, fa nitondra rongony ity zanaka parlemantera ity. Ny somary nahagaga tamin’ity toe-javatra ity, dia voalaza fa efa nisy mpanao gazety niantrana sy vonona teny an-toerana, izay nahatonga fanehoan-kevitra samihafa, fa zavatra efa namboarina na « coup monté ». Zandary nirongo basy no nitondra azy nakeny amin’ny Fitsarana omaly rehefa notazonina 48 ora teny Ankadilalana. Tonga niaro ity mpisolovava ity moa ireo mpisolovava namany omaly. Hampiakatra ny raharaha izy ireo noho ny tsy fahafaham-po, raha ny nambaran’ny mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa.

HAFAHAFA…

Nialoha io didy io, dia toy izao ny fandalinana avy amina mpitsara iray nisafidy ny tsy hitonona anarana. Vao mainka nanao fahadisoana tamin’ity raharaha ity izay nisy ny « comparution immédiate », hoy izy. Voalohany, raha hatao « sursitaire » na sazy mihantona io, dia hiboridana hoe fitsarana natao antematemaka sy novonjivonjena fotsiny. Nahoana ny aferan'olona hafa anefa no tsy voatsara? Faharoa, Raha natao “Relaxée au benefice du doute” na nafahafana noho ny fisalasalana, dia fa zavatra namboamboarina. Raha fanamelohana miaro fanagadrana, dia voaporofo fa herim-pamoretana no misy, ary raha “peine d'amende ferme” dia ho voakiana be hoe fitia te hanenjika fotsiny. Ny tokony ho natao dia nalefa malalaka aloha, ka nolazaina fa mbola misy fanadihadiana lalina natao, raha tena mitombina ny vesatra, hoy ny fanazavana.

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap