airtel

Politique

07-déc-2021

Politique

Me Olala – Raharaha Apollo 21 “Manahy izahay fa tsy hivoaka ny fahamarinana”

Sample post image

Ora 5 sy sasany teo no lany namakiana ny fiampangana ireo voapanga tao anatin’ny raharaha Apollo 21 na ny fikasana hamono ny filoham-pirenena tetsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy omaly.

07-déc-2021

 Nanomboka tamin’ny 10 ora ary tsy nifarana raha tsy tany amin’ny 12 ora sasany tany ho any ny famakiana izany tamin’ny teny Malagasy ary na dia nangataka ny tsy hisian’ny famakiana izany tamin’ny teny frantsay aza ireo mpisolovava dia nangataka ny hanaovana izany kosa ny lehiben’ny fitsarana noho ny fisiana vahiny tafiditra ao anatin’ity raharaha ity. Lany teo noho izany ny lera ary dia notapahana fa ho tohizana amin’ity anio ity ny fitsarana ity raharaha ity. Tsy mbola nisy didim-pitsarana nivoaka, raha ny nambaran’ny mpisolovava Willy Razafinjatovo na Maitre Olala, hatreto. Mbola nitaky ny handefasana mivantana amin’ny haino aman-jery rehetra moa ity mpisolovava ity. Olona miisa 100, hoy izy, raha be indrindra no atonona ny efitrano fitsarana ka ireo ve no hitantara amin’ny vahoaka manontolo ny zava-nisy marina mikasika izao raharaha izao? Sarotra izao ny raharaha satria rehefa tsy misy mangarahara dia moramora ny manindry bokotra ary mampalemy ny fitsarana izao satria tsy mahaleo teny izy fa voatery manaraka ny baiko any. Matahotra izahay fa tsy hivoaka amin’ny fahamarinana izao raharaha izao fa kononkononona fotsiny, hoy hatrany ny tenany. Isan’ireo fiampangana voalaza moa ny fikononkononan’olona miaraka na “association de malfaiteur” hamono ny filoham-pirenena sy sy fikononkononana hanongam-panjakana, hoy hatrany ny fanazavana. Akanga ve anefa, hoy ny Maitre Olala, ny filoham-pirenena no ho vonoina amin’ny basim-borona satria izay no tratra tao?
J. Mirija
Legende: Ny Maitre Olala, teny amin’ny fitsarana omaly
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap