airtel

Politique

30-juil-2021

Politique

Mgr Odon Razanakolona Tratry ny fandotoana manara-penitra ?

Sample post image

Omaly tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany maraina no tonga teny Andohalo, toeram-piasan’ny Arsevekan’Antananarivo Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona

30-juil-2021

 ny Lehiben’ny fampanoavana ambony sy mpanao fanadihadiana miisa 4. Nanao fanadihadiana sy fakana am-bavany ity Raiamandreny am-panahy ity, ary voalaza fa manodidina ny ora efatra teo ny fanadihadiana azy. Nifantoka tamin’ny fifandraisany tamin’i Paul Rafanoharana ilay manamboninahitra zandary Frantsay misotro ronono izay efa voasambotra ny 20 jolay teo noho ilay resaka famonoana Filoha no antony. Omaly no efa nabaribary tamin’ny haino aman-jery mpomba ny fitondrana ny filazana ankolaka na mivantana fa tafiditra ao anatin’ny raharaha famonoana ny filoha io mpitondra fivavahana io. Voalaza anefa, fa olona nifankahalala tany ivelany izy mirahalahy mianaka ireo, ary nohararaotiny hisandohana andraikitra, ary nifandray satria nisokatra ity Raiamandreny am-panahy ity. Voalaza fa nohararaotin’I Paul Rafanoharana izany ka nilazany fa Mpanolontsaina laikan’ny Arseveka izy, ary nampiasainy tamin’ny « carte de visite » mihitsy aza io. Nahafantatra izany fihetsika izany, ary niangavy azy tsy hanao izany, ary marina fa manana zo hanana mpanolontsaina laika ny Arseveka, kanefa tokony ho voarakitra amin’ny “annuaire” manokana kanefa tsy isan’izany io zandary Frantsay misotro ronono io, hoy ny loharanom-baovao azo antoka. Tsiahivina fa ny 22 jolay no efa nanao fanambarana ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, fa voafehin’ny « loi cannon » ny fiangonana katolika, ka tsy misy afa-miteny amin’ny anarany afatsy izay nahazo alalana manokana. Maro ny mandika io fanonontononana ny Mgr Odon Razanakolona io ho fanimbazimbana ny Raiamandreny am-panahy sy ny fiangonana na ekena hoe : tsy midika meloka na tsia ny fanadihadiana. Tsy vitsy ireo mpino katolika no naneho ny alahelo sy fahatezerany mivantana sy ankolaka teo anatrehan’ilay toa karazana angaredona natao taminy.


Tsy nisy nipika moa ny tena akon’ny fanadihadiana, ary nilaza ny mpisolovava fa mbola tsy afa-miteny noho ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana. Milaza ny hanao fanambarana kosa anefa izy ireo amin’ny fotoana maha mety azy. Iny niaraha-nahita iny ny fidirana an-tsehatry ny fiangonana notarihin’ny Kardinaly Désiré Tsarahazana izay naneho fa tsy manao politika ny fiangonana, ary tsy mitady seza sy toerana. Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap