airtel

Politique

05-mars-2021

Politique

Miara-manonja Eny amin’ny Magro Tanjombato indray

Sample post image

Tsy afaka manatanteraka hetsika eny Soamandrakizay ny mpanohitra amin’ny sabotsy ho avy izao.

05-mars-2021

 

 

 Fihetsiketsehana tsy ara-dalàna ny eny Soamandrakizay, raha misy ny minia manao izany, hoy ny valin-kafatra taorian’ny fivorian’ny OMC omaly. Efa napetraka ny fanazavana fa tsy mety intsony ny eny, ny tompon’ny toerana ry zareo katolika tsy manaiky, hoy ny Préfet Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian omaly. Araka ny andininy faha-118 amin’ny fehezan-dalàna famaizana dia mametraka ho tompon’andraikitra ireo mpikarakara sy manentana ny fihetsiketsehana. Tompon’andraikitra tanteraka izy rehefa tsy nahazoana alalana, ka tsy maintsy handraisana fepetra, hoy ny Lehiben’ny Emmo-reg Analamanga. Omaly maraina, nangataka ny hampiasa ny Magro Tanjombato ny Miara-manonja. Noraisina io fangatahana io satria manaraka ny lalàna 48ora mialoha. Misy ihany koa ny fahazoan-dàlan’ny tompon-toerana. Tsy afaka novaliana teo noho eo, fa tsy maintsy misy fivoriana iarahana amin’ny tompon’andraikitra eny Atsimondrano. Tsy zakan’ny Emmo-distrika, dia nangataka horaisin’ny Emmo-reg ny eny an-toerana, hoy ny fanazavan’ny Prefe.

 

NANAMAFY IREO DEPIOTE

Nananamafy ny hamindrana ny tatitra ho eny amin’ny Magro Tanjombato ny Depiote mpitarika ny Miara-manonja. Nanoso-kevitra ny hamindrana izany eny amin’ny toerana nomen’ny tompony, rehefa norarana ny eny Mandrakizay satria voalaza fa manahy ny filaminana ihany koa ireo masoivoho vahiny. “Nampiarahana amin’io taratasy fanovana ny toerana io ny taratasy fanomezan-dàlana avy amin’ny Tiko ny fanekena ny hampiasana ny toerana. Tsy mipetraka intsony ny olana amin’ny hoe tsy manaiky tompon’ny tany. Tsy manao letrezana, izahay tsy mila vaniny, ary mbola miezaka foana hatreto, fa manaraka ny lalàna”, hoy ny depiote Fidèle Razarapiera. Hamindra ny tatitra eny amin’ny Magro Tanjombato. Naneho fa tsy ho avy amin’izy ireo aloha no hihavian’ny fanafintohinana hatreto. Manantena ny ireo Depiote, fa tsy hisy intsony ny sakana.

 

Toky R

 

Haut du formulaire

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap