airtel

Politique

16-févr-2021

Politique

Miara-manonja Ho eny Ambohijatovo amin’ny sabotsy

Sample post image

Tafapetraka omaly 15 febroary teny amin’ny Prefektioran’Antananarivo ny

16-févr-2021

 

 

fampahafantarana nataon’ny Depiote 6 mianadahy voafidy tamin’ny anaran’ny TIM tao anatin’ny Boriborintany miisa enina Antananarivo Renivohitra, fa hanao tatitra amin’ny vahoaka eny amin’ny Kianjan’Ambohijatovo ny sabotsy 20 febroary manomboka amin’ny 09 ora maraina. Miantefa amin’ny Prefe io fampahafantarana io, izay nanehoan’izy ireo fa ny lalàmpanorenana sy lalàna velona no mandrisika azy ireo hanao ny tatitry ny fivoriana teo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nosakanana ny depiote TIM tamin’ireo tatitra nataony ny oktobra tany Mahajanga, Fianarantsoa, Antsirabe,… izay nilazan’ny mpitondra sy lehiben’ny mpitandro filaminana fa any amin’ny toerana nahalany no tokony hanao izany. Vao miresaka depiote TIM, dia mby ao an-tsaina ny Miara-manonja. “Firenena iombonana ity, ary samy tia tanindrazana isika. Ny Mpanohitra hapetraky ny Fanjakana ho fahavalony, fa izahay tsy mametraka na iza na iza ho fahavalonay. Misy olon’ny Fitondrana efa tena sahy mijoro fa misy tsy mety ao anaty Fanjakana. Mahasahy mijoro, miteny, ary amin’ny fotoana rehetra hiantsoana ny rehetra dia mila tonga avokoa. Efa nanamafy ny Miara-manonja fa tsy fandaharana fotsiny, fa toe-tsaina sy toe-panahy hoenti-manarina ny firenena. Tsy misy mangarahara ny fitantanana ny volam-panjakana sy ny vola fanampiana voarain'i Madagasikara nandritra ny fiatrehana ny Covid 19.Tsy azo ekena intsony ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena .”, hoy ny ampahan-tenin’i depiote Hanitra Razafimanantsoa.

“ZONAY NY MANEHO HEVITRA…”

Mitady hiezaka hanapina ny mason’ny Malagasy amin’ny alalan’ny fanovana governemanta ny Fanjakana, saingy tsy any intsony no làlana, hoy I Guy Maxime Ralaiseheno niditra an-telefaonina tao amin’ny Miara-manonja omaly. Nahitsy ity mpanao politika ity nilaza fa tsy ny fanovana ny governemanta no mamaha ny olana, fa ny fialan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina no vahaolana ho an’ity firenena ity. Nambarany fa tonga ny fotoana, ary zo ny maneho hevitra, am-pahitsiana sy an-kahalalana araka ny andininy faha-10 amin’ny lalàmpanorenana. Am-pahendrena fa tsy amin’ny herisetra ny mijoro eo anatrehan’ny tsy fihetezan-draharaha, hoy izy. Na hatraiza na hatraiza Maneran-tany, dia mijoro ny vahoaka eo anatrehan’ny tsy fahombiazan’ny mpitondra. Manoloana ny mety ho herisetran’ny Fanjakana, dia am-pilaminana no hitondranay azy. Ho an’ny Prefen’Antananarivo, dia nampahatsiahy, fa toeran’ny demokrasia ny kianjan’Ambohijatovo, kianjan’ny demokrasia ara-tantara ny Kianjan’ny 13 ka anjarantsika vahoaka Malagasy no misafidy hoe aiza isika no handeha? hoy hatrany i Guy Maxime Ralaiseheno.

 

Efa voaray io fangatahana io, saingy mbola hisy ny fivorian’ny OMC (Organe Mixte de Conception), raha ny vaovao heno avy eo anivon’ny Prefektiora. Taorian’ny 06 febroary nilazan’ny Miara-manonja fa ho avy eto an-dRenivohitra, dia nilaza ny Prefe Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian fa voarara ny hetsika politika eto Antananarivo. Milaza ireo depiote fa ny lalàmpanorenana no mamaritra ny tatitra, ka tsy ilàna fangatahana fa fampahafantarana fotsiny.

Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap