airtel

Politique

21-avril-2022

Politique

Miara-manonja Tena misy ny lonilony

Sample post image

Tsy takona hafenina intsony ny lonilony eo amin’ny samy “Miara-manonja” izay fandaharana politika ao amin’ny haino aman-jery MBS andaniny, ary ny haino aman-jery AZ ankilany,

21-avril-2022

raha toa ka iray ihany izany tany aloha. Nanaitra ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Vondrona Parlemantera TIM Fetra Ralambozafimbololona tamin’ny fahitalavitra iray omaly naneho fa misy fitsipika ifampifehezana ao anatin’ny TIM. Anton’io ny fisian’ny fikasana hanangana vovonana politika Miara-manonja kasain’ireo olom-boafidy ao anatin’ny elatra Miara-manonja tarihin-dry Depiote Fidèle Razarapiera, Hanitra Razafimanantsoa, ary Rodin Rakotomanjato atsangana. “Misy ireo namana, mbola raisiko hoe: namana ihany hatreto, mikasa na efa manangana ny vovonana Miara-manonja. Tsy nifampierana izany, misy ny fanambarana nataon’ny namana hafa teo aloha teo mifanohitra amin’ny fanambaran’ny RMDM sy ny Birao politikan’ny TIM. Mino aho fa mbola ho avy ny fotoana hanaovana fanambarana iombonana, fa hatreto aloha tsy nifampierana tsy nahazoana alalana tamin’ny Birao politika, Vondrona Parlemantera TIM, ary ny Filoha mpanorina ny Antoko Marc Ravalomanana izany”, hoy ny Filohan’ny Vondrona Parlemantera TIM. Hatry ny ela moa no nampisalasala ny mpanara-dia ny TIM ity Miara-manonja mizara roa ity, ary niharihary tamin’ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Vondrona Parlemantera avy amin’io Antoko io fa misy ny lonilony. Tsy mbola naneho hevitra ofisialy mikasika io fisamahan’ny Miara-manonja io ny Filoha Nasionalin’ny TIM Atoa Marc Ravalomanana hatreto, ka maro ihany koa no maneho fa mety ho stratejia politika ihany koa ny zava-miseho. Mbola mitondra ny anarana solombavambahoaka TIM rahateo ireo depiote ao anatin’ny Miara-manonja faharoa, fa tsy mbola nisy fanaisorana azy ireo tao anatin’ny Vondrona Parlemantera tahaka ny natao tamin’ny Depioten’Andramasina. Na izany aza, tsy hita hatrany tao anatin’ireo fanambarana nataon’ny Vondrona Parlemantera TIM ireo depiote ao anatin’ny Miara-manonja faharoa ireo. Na misy aza ny endrika tsy fifankahazoana, samy mitsikera mafy ny Fitondram-panjakana ny Miara-manonja roa tonta.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap