airtel

Politique

08-nov-2021

Politique

Miha mafy ny fahantrana Voapoizin’ny fanovana sampona i Madagasikara

Sample post image

Ny vary lafo, ny hena lafo, ny anana sy legioma lafo, ny saran’ny jirama midangana ary mbola arahana delestazy sy rano miloko hafahafa, ny hofan-trano lafo, ny saram-pianarana efa mampikaikaiky ray amandreny maro

08-nov-2021

.Raha sanatria marary dia asa fotsiny satria ny ankamaroan’ny tokantrano dia tsy manana vola fiandry raha sanatria tojo tsy fahasalamana; ny hoe handeha hiala sasatra izany moa dia tahaka ny efa hoe angano sisa..Manampy ireo ny hala-botry, vaky trano, sinto-mahery, fanendahana, asan-dahalo, hala-jaza, halatra taolam-paty..eny lasan’ny jiolahy hatramin’ny akoho amam-borona sy ny lamba miahy ary ny vilany anokonana sakafo.Anaty fahasahiranana efa tena henjana ny Malagasy.Taloha raha miantsena, mbola nahavita ny vitany tsara mihitsy ny 5000 Ariary saingy ankehitriny ny 10 000 Ariary izany poa toa izay dia manjavona, hoy ny raim-pianakaviana iray miasa amin’ny sehatry ny fanorenan-trano.Ny tsapa dia miha lafo isan-taona ny vidim-piainana, eny ekena fa mitombo ny filana maneran-tany ary mety misy fotoana tsy maharaka intsony ny tinady ny tolotra , eo koa moa ny krizy ara-pahasalamana sy ny ady etsy sy eroa koa miakatra ho azy ny vidin’entana.Fa na izany aza hita fa marefo dia marefo eo am-piatrehana izany i Madagasikara; lasa manomboka miverina any anaty ady hevitra amin’izao fotoana ny hoe ka inona moa izany no tena antony nandrodanana ny mpitondra tamin’ny 2009 sy nanasoketana ny tamin’ny 2018 raha toa ka vao miha nitondra ny Malagasy nilentika kokoa anaty lavaka ny mpitondra Tgv Mapar amin’izao fotoana izay efa nitantanana ny fitondrana tetezamita ihany ? Matoa manila ny teo aloha dia tokony hahavita tsara kokoa fa tsy be resaka amin’ny fandaharanasa sampona. Mipoapoaka ny kabary sy fampanantenana arahana ny hoe mila maharitra kely fa maro ny zavatra mbola mila amboarina; ny olona anefa efa miha noana sy marefo.Ny fiarahamonina lasa mikorontana. Ahoana moa ny mbola inoana fa hisy fiovana goavana ato anatin’ny 2 taona rehefa hita ny fitantanana nandritra ny tetezamita sy ny 2 taona voalohany tamin’ity fitondrana Rajoelina ity,Tsy mbola nisy ohatr’ity fitondrana ity raha teo amin’ny resaka raharaha mahavoakasika olona ambony, hatramin’ny hoe minisitra nandritra ny 3 andro dia nesorina ary efa ho 3 volana aty aoriana mbola tsy nahitana solony kanefa milaza fa manana manampahaizana maro.Ny resaka mangaraharaha amin’ny fitantanana ny volam-panjakana izany moa dia aoka fotsiny.Ny sehatry ny angovo, dia io iraha-mahita io ny Jirama, tsy mila fanazavana betsaka fa samy mahatsapa tsara ny ngidiny na ny isan-tokantrano na ny orinasa.Ny seha- pihariana lavanila, mitotongana ary efa miantso vonjy ireo mpamokatra ny mpandraharaha.Etsy ankilan’izay mampahonena ny tontolon’ny fampianarana miainga any amin’ny fanabeazana fototra ka hatramin’ny ambaratonga ambony.Ary ny tena loza dia mbola mahasahy mirehareha ihany ireo manampahefana fa hoe mandeha ny fampandrosoana eto.Tena tsy tonga saina mihitsy ve sa efa manana olana ara-tsaina manara-penitra ?
RTT
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap