airtel

Politique

29-nov-2021

Politique

Miha mahantra ny Malagasy Tsy mahavaha krizy ny fanjakana

Sample post image

Tahaka ny hoe tsy eto Madagasikara izany fa niova firenena hafa isika raha mahatsiaro tampoka ny fampanantenana tamin'ny.propagandy 2018 sy ny zava-misy iainana ankehitriny.

29-nov-2021

 3 taona izay no lasa, ary tsy iadian-kevitra ela fa dia niha nahantra ny Malagasy, miaina krizy i Madagasikara. Ny olana no maro kokoa noho ny vahaolana amin'ireo sehatra maro samihafa.
NY RESAKA ANGOVO
Tsy ampy ny herinaratra, tsy ampy ny rano,… Tsaroana ny fitanisana ny filàna angovo ilain’I Madagasikara nataon’ny Filoha ankehitriny tamin’ny Propangandy, naneho mihitsy fa ny fahatongavany eo no ela. Ny jirama anefa ity toa takian'ny banky iraisam-pirenena hamerim-bola fa hoe nisy fandanindaniam-poana, mahamenatra sady manala baraka. Tratry ny ampamoaka fa volabe 1 miliara Ar mahery nifampizaran’ny mpitantana, nolazaina fa diso, fa nivoaka hatramin’izao ilay lazaina fa marina. Ny taona 2020, voalaza fa 707 miliara Ar ny fatiantoka,… Taratry ny fitantanana tsy mahomby misy eto amin'ny firenena ny Jirama. Tena ohatra velona azo tsapain-tanana. Iza no tsy mitaraina? Ny jirama anefa dia maty antoka isan'andro ary bokan-trosa..hatrero tsy mbola misy vahaolana mazava. Vao ny angovo anefa no olana dia zava-doza io.

FAMPIANARANA
Tena latsaka ambany ny fahaizana amam-pahalalan'ny zaza malagasy fa tsy arakaraky ny seho ivelany amin'ny fananganana efitrano fianarana manara-penitra. Miainga amina santionan-javatra no terena ho taratry ny rehetra. Sahirana ireo mpampianatra ary maro no tsy mifantoka tsara intsony amin’ny fampianarana fa manao vadin'asa. Ny mpampianatra FRAM nampanantenaina vola, betsaka no tsy nahazo, ny saram-pisoratana anarana nolazaina maimaimpoana tsy voahaja,.... Ny oniversitem-panjakana moa dia io mikorotan-dava io ary efa tena mampitaraina ny kalitaon'ny fampianarana, tsy ao anatin'ireo oniversite 100 voalohany aty Afrika akory.
 

FAMBOLENA SY FIOMPIANA
Seha-pihariana iasan' ny 83% n'ny Malgasy kanefa dia mitsipozipozy. Raisina ho ohatra ny olan’ny vary, olan’ny lavanila, olan’ny legioma, olana ny lodisia, lasa vazivazy any anaty fiarahamonina ny hoe kely sisa dia hanafatra anana avy any ivelany i Madagasikara. Mila fanampiana goavana ara-pitaovana sy ara-panofanana ny tantsaha sy mpiompy.
INDOSTRIA
Isan-kerinandro no andrenesana ny fitarainan'ireo orinasa tsy miankina, mahatsiaro no natao ankilabao sy tsy nampian'ny fanjakana kanefa namely mafy ny valan'aretina ary tena nisy akony ratsy amin'ny fandraharahana. Iny adihevitra be iny ny resaka fanafarana “bondillon” amin’ny savony nakarina ho 20% ny haban-tseranana satria ny tsy fahatanterahan’io dia ambara fa 700 miliara Ar tsy hiditra amin’ny Fanjakana. Izay ho fiantraikany amin’ny fiakarany any tsy raharahiany. Maneho ny tsy fahafaliany sy mandrahona hisintaka ihany koa ny orinasa afaka haba noho ny resaka tombotsoa ara-ketra ahena.
VAROTRA SY FANJIFANA
Olana be ny resaka PPN na entana ilaina andavanando, manerana ny nosy io. Nilaza ny hanafatra sambo 20 feno PPN ny filoha hozaraina na hamidy mora isam-paritra, saingy nijanona ho kabary ihany aloha izany hatreto. Ilay simenitra nambara fa hamidy mora misy milaza fa tsy tena ny Fanjakana no nanafatra fa “réquisition” no natao. Raha tena nafaran’ny Fanjakana efa niainga indray ny gony misy soratra “simenitra mora” sy loko volomboasary nanomezana tsena ny orinasan’ny Filoha, hoy fanehoan-kevitra. Tsy tena hita eny amin’ny fiarahamonina ilay vahaolana, ary tsy arakaraka ny fampanantenan’ny Filoha.

FITANTANANA
Zary lasa governemantan'ny fihetsiketsehana sy ny seho ivelany ary ny akamakama ‘ndao hiara-mihinana. Tsy haingam-piasa, fa tena mihisatra. Aiza ve ka ao anatin’ny 3 taona masoivoho 5 no voatendry, karaman’olona an-taonany tsy voaloa, grevy etsy sy eroa vao mikoropaka mamaha olana kanefa mirehareha ho manam-bola.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap