airtel

Politique

30-juil-2021

Politique

Miharatsy ny toe-draharaha Nijabaka tanteraka Rajoelina…

Sample post image

Tafiditra lalina I Andry Rajoelina ao anatin’izao toe-draharaha mafampana eto amin’ny firenena izao. Mitana ny sain’ny maro ny hoe: nisy nikasa hamono ity Filoha ankehitriny ity.

30-juil-2021

Saika olona akaiky azy avokoa aloha hatreto no voatonontonona, na I Paul Rafanoharana, na I Sareraka,… Na mitombina na tsia ny fikasana hamono azy, dia maro amin’ireo mpiara-dia amin-dRajoelina, indrindra fa ireo niainga tany amin’ny 2009 no maneho alahelo sy fahatezerana mivantana sy ankolaka, ary ireny hita amin’ny haino aman-jery sasany ireny fa tsy miafina intsony. Tsy voalamina sy tsy voarindra, fa efa tena miharihary ny ady an-trano. Misavoritaka ny ekipa, tratry ny tsindry mafy dia mafy amin’ny endriny maro I Andry Rajoelina, ka vao tsy ela akory ny angaredona momba ny tokony hanovana minisitra maromaro. Tsy voalamina ny disadisan’ny governemanta sy ny depiote, ny olom-boatendry sy olom-boafidy,... Tsy fantatra intsony hoe: iza no tena namana ary iza no namanamana, hany ka hatramin’ny mpitazana aza sanganehana. Vao mainka nanaitra ilay toe-javatra toa manangam-pahavalo ny fiangonana. Finiavana sy nifanarahan’ny samy mpitondra ve ilay nampivandravandrana ilay Lehem-piangonana sa finiavana manokana avy amina olona iray na roa ao anaty fitondrana na mpiara-dia amin’ny fitondrana? Henjana izany miady amin’ny Oloben’ny fiangonana izany, saingy tsy atao mahagaga amin’ny fomba fanaon’ity Fitondrana Rajoelina ity izany. Mampahatsiahy ny fandraisana vozon’akanjona Lehibem-piangonana tamin’ny fanonganam-panjakana 2009. Tsy voafehy intsony ny toe-draharaha, hany ka toa lasa manaonao foana ny fitondram-panjakana. Misy ny atao hoe: tsiambaratelon’ny fanadihadiana, ary voaaron’ny lalàna noho ny tsy mbola fisiana fanamelohana na “presomption d’innocence” ny olona iray ambara fa voarohirohy. Tsy tokony nivoaka akory ireny anarana samihafa ireny raha voafehy ny resaka tsiambaratelon’ny fanadihadiana, saingy hatramin’ny dosie sokajiana ho saropady aza miparitaka
Asa hanao ahoana ny fomba ivoahan’I Andry Rajoelina ao anatin’izao toe-javatra izao? Ny zava-drehetra aloha dia maneho, fa tsy zakany sy tsy voalaminy intsony ny zava-misy. Miharihary ny tsy fahazakana firenena intsony. Raha ny lojika dia manao zavatra na manapa-kevitra hisian’ny fitoniana I Andry Rajoelina, saingy tsy hay intsony hoe: inona no ataony sy andrasany amin’izao?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap