airtel

Politique

08-sept-2021

Politique

Miharatsy toerana hatrany ny Fitondrana Misintaka sy manao fitan-droa ny ekipa

Sample post image

Miha hafahafa ny tsio-drivotra politika, izay manamafy ny tsy fahamarinan-toeran’ny Fitondrana Rajoelina. Miainga avy ao anatiny ny endriky ny faharavana, izay toa mandeha tsikelikely.

08-sept-2021

 Maro ireo toe-javatra maneho fa miha malemy ity Fanjakana ankehitriny ity, ka isan’izany ny savorovoro samihafa. Toa manomboka miala amin’I Andry Rajoelina ireo ekipa sasany heverina fa tompon’ny fanalahidy tamin’ny fipasohana daomy na fanasavoritahana ny toe-draharaha politika to amin’ny raharaham-pirenena. Tsy tongatonga ho azy ny fihetsik’Atoa Norbert Lala Ratsirahonana sy ny Antoko AVI izay manomboka manao fitan-droa, hoy ny mpandinika sasany. Nilaza fa efa hatry ny ela, efa tamin’ny tetezamita no tsy mpanolontsaina manokan’ny Filoha ankehitriny, naneho fa miomana amin’ny fifidianana haka fitondrana saingy tsy fantatra na hanohana olona na handrotsaka kandida, raha toa ka tao anatin’ny vovonana nampandany an’I Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana farany. Niainga tany amin’ny tetezamita, dia noheverin’ny maro fa mpitari-dàlana an-dRajoelina na “mentors” ara-politikany I Norbert Lala Ratsirahonana, ary midika zavatra goavana ny toa fanalany tena ho tsy tena mpiara-misalahy ao anaty fitondrana intsony. Tsy hita taratra ao anatin’ny governemanta ankehitriny ny AVI, raha toa ka nanana olona toa an’Atoa Reboza Julien, Jean Jacques Rabenirina,… tany aloha. Ekena fa niezaka nampiditra mitazona ny fifandraisana amin’ireo antoko sy mpanao politika nanohana azy I Andry Rajoelina, toy ny Antoko ADN izay nomena minisitera iray, ny Antoko Maitso naverina anaty governemanta, ny Arema,… saingy misy ihany koa no heverina fa hena-maso sisa no hitazonana azy ireo ao, toy ny MMM izay nahena ny fahefan’Atoa Hajo Andrianainarivelo. Toa karazan’ny misintaka, ary tsikaritra ho tsy levon’ny vavonin’ny mpitondra ny depiote IRD Siteny Andrianasoloniaiko satria ahiana ho kandida Filoham-pirenena amin’ny 2023 ary tsikaritra ho manangana ekipa. Misy amin’ireo olon’ny IRD ahitana olom-boafidy hatramina filohana andrim-panjakana nanome voninahitra ity depiote sady filohan’ny rafitry ny Judo aty Afrika sy ny Filoha lefitra maneran-tany ity, fa ny Filoha kosa tsy mba nandray azy kanefa reharehan’I Madagasikara ny toerany. Heverina ho misy manao fitan-droa ireo olon’ny fitondrana ankehitriny ary mety hifindra lasy aoriana. Niarahaba azy kosa ny RMDM. Minisitra 6 avy any Atsimo no notendrena, nanao be fiavy namafa ny dian-dry Siteny ny minisitra maro tamin’ny famaranana ny Lalaon’i Melaky,… Ny fahavitan’ny fe-potoana iasana mety ho azo antoka, fa ho sarotra amin-dRajoelina ny 2023, raha ny fizotry ny tantara.

Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap