airtel

Politique

01-août-2022

Politique

Mikorosofahana ny firenena Mipoitra izao ny vokatry ny tsy fahaiza-mitantana

Sample post image

Niainga tany amin'ny olan'ny fitsinjarana fanampiana nandritra ny valanaretina covid-19 (2020 sy 2021) ny olana ara-pitantanana sy fandaminana teto amin'ny firenena. Nipoitra tamin'ireny ny raharaha "bonbon sucette"

01-août-2022

 sy "ecran plat", izay tsy hita ny tohiny efa ho roa taona aty aoriana kanefa nisy ahiahina fanabontsinana faktiora sy kolikoly tao. Natao resaka manjavozavo ny fanaovana vaksiny iarovan-tena amin'ilay valanaretina, ny filohampirenena dia sahy nilaza fa hoe tsy manao vaksiny fa CVO ny azy sy ny fianakaviany. Nahavalalalina ny maro ny hoe : mba ahoana ary no nataony rehefa izy nandeha tany ivelany ireny (Eoropa sy Etazonia) ; "test PCR" fotsiny ve sa ahoana? Dia maro be ny vaksiny nopotehina satria tsy narisika ny Malagasy, maro anefa ireo firenena mangetaheta vaksiny. Ankehitriny, taona 2022 entanina mafy be isam-pokontany hoe tongava manao vaksiny ny 18 taona no miakatra. Tsy re feo intsony ny CVO, ilay hoe hamonjena izao tontolo izao. Fa nahoana no tsy efa tamin'ny 2021 no natao izany dia nalamina fa izao vao mikorapaka ? Nanampy ireny nipoitra indray ny olana hafa: karama sy volan'olona tsy voaloa, halatra voamaso, fakana an-keriny zaza varira sy tovovavy, fiparitahan'ny rongony mahery vaika atsindrona izay tanora no ankamaroan'ireo roboka aminy. Ny trafikana volamena mandeha be. Mipetraka ny fanontaniana : fa manao inona marina ny fanjakana ? Efa ratsy laza i Madagasikara izay ao anatin'ireo firenena 3 mahantra indrindra maneran-tany. Ny mpitondra fanjakana milaza fa mandeha ny fampandrosoana eto, ny olona miha tsy ampy sakafo sy miha reraka. Lasa tsizarizary ny asa, kitoatoa ny fitantanana, toa lasa any amin'ny sehoseho ivelany ny resaka atao eto; sokajian'ny mpandinika fiarahamonina ho fandrendrehana saim-bahoaka. Miha voaporofo hatrany izao fa anaty tsy fahaiza-mitantana manarapenitra ny eto Madagasikara ary raha tsy misy fiovana famindra dia mety ho ratsy ny fiafarany atsy ho atsy satria tsy misy fandrosoana azo amina fomba fiasa ankitsapatsapa sy andrakandrana izany.
RTT
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap