airtel

Politique

14-sept-2021

Politique

Minisitra Lalatiana mivady Tsy hametra-pialana fa miandry hotrongisina

Sample post image

Raharaha nitana ny sain’ny maro tao anatin’ny herinandro eo izao ny mahakasika ny minisitry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy sy ny vadiny Andry Andratongarivo ary ny mpanakanto iray.

14-sept-2021

 Ny adihevitra eto tsy hifankahitana saingy izy voakasika vooalohany tamin’ilay resaka fanapoahana sy fitazonana basy tsy ara-dalàna, malaza fa naka rivotra kely tany Nosy Be Hell Ville ny faran’ny herinandro teo. Mandeha ny antso avo samihafa amin’ny tokony hametrahan’ny minisitry ny serasera fialana sy ny antso avo nataon’ny Holafitry ny mpanao gazety amin’ny hanesorana azy. Lasa lavitra moa ny raharaha satria nitory ilay gazety iray tondroiny ho manala baraka azy ny minisitra. Ny tokony hataony dia porofoiny fa tsy mitombina ilay vaovao navoakan’ny gazety, hoy kosa ny Holafitra tamin’ny alalan’ny Filohany Atoa Gérard Rakotonirina. Na mitombina na tsy mitombina ilay raharaha dia tena nisy akony be amin’ny fijerin’ny olona ny Fanjakana manontolo. Raha hanao fampitahana kely, ny raharaha minisitra Brice Randrianasolo, dia zavatra tsy nisy nifandraisany tamin’ny maha minisitra azy, azo sokajiana ho fiainana manokana tany aloha. Voatery nametra-pialana na natosika hiala anefa aloha izy na nitombina na tsia ny raharaha niteraka resabe momba azy. Mifankaiza amin’izany ny zava-miseho ankehitriny? Ity momba ny minisitra mivady ity aza, dia voalaza fa tonga hatramin’ny fisintonana fitaovam-piadiana, izay mety ahafahana milaza fa misy fahamarinany amin’ny ampahany ilay zava-niseho. Efa niditra amina fitoriana ny minisitra, mety ho lasa mifangaro ny raharaham-panjakana sy ny afera manokana, ka lojika kokoa ary tokony hiala sy handamina ny raharaha momba azy manokana aloha ny minisitra mivady raha tena manana etika tokoa, hoy ny mpandinika. Miteraka fahafaham-baraka ho an’ny fitondrana io, ka ho sahy hanala ireo olona telo izay samy olom-boatendry ve ny Filoha sa misy ny tahotra azy ireo? hoy ny depiote iray ny faran’ny herinandro teo. Inona no atahoran’ny Filoha? Misy afera ifankahalalana ve? Re fa mandeha be ny adihevitra any amin’ny Etamazaoro politikan’ny Fitondrana amin’ny fanapahan-kevitra horaisina, izay mety tsy ho ela.


Raha handray ohatra hafa isika, dia 10 taona lasa izay, voasaringotra tamin’ny raharaha fijangangajangana sy fanararaotana ara-nofo ny Tale Jeneralin’ny FMI teo aloha ny taona 2011. Nambaran’ny vehivavy iray antsoina hoe Naffisatou Diallo ho nanao fanararaotana ara-nofo taminy. Nandà mafy ity Tale Jeneralin’ny FMI ity tamin’izany fotoana izany, ary mbola tsy nisy fitsarana sy didy, saingy nametra-pialana tamin’ny andraikitra ambony notanany aloha izy mba ho fanajany ny tenany sy ny rafi-panjakana notanany. Ny eto kosa miandry hotrongisina .
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap