airtel

Politique

17-sept-2021

Politique

Ministeran’ny mponina Tratry ny ampamoaka sahady ny tale jeneraly vaovao

Sample post image

Ny eo tsy milamina, ny eo mitsikafona ihany! Ny ampitso marainan’ny nanendrena azy tamin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ho Tale Jeneralin’ny Ministeran’ny mponina Rtoa Andriatsimilao Ando Firaisantsoa,

17-sept-2021

 dia nitsikafona ihany koa ny raharaha mahakasika azy tamin’ny taona 201. Namoahan’ny zandarimaria Sampana misahana ny fiarohana momba ny heloka bevava didy fampisamborana ny tenany ny 20 mey 2019, ka antony voasoratra tao anatin’izany ny fisolokiana na “escroquerie” sy fampiasana taratasim-bola tsy misy anto-bola na “émission chèque sans provision” no vesatra nanenjehana azy tamin’izany. « Gravy ny tontolo politika mifanaratsy foana. Izay foana ny fiainana eto. Misy kosa ny feo avy any an-kilany izay milaza fa vadin’ny depioten’i Soalala ity tompon’andraikitra vao notendrena ity, ary « adversaire »-n’ny vadiny tamin’ny fifidianana no nanao io zavatra io. Ity veivavy ity no nanao ny tsenambaro-panjakana tamin’ny 2019, ary taraiky ny fandoavana vola, dia nomen’ilay mpifanandrina amin’ny vadiny loha ilay nakana fitaovana na « materiel » namoahana an’io didy fampikarohana io. Nilamina anefa ilay raharaha satria nivoaka ny « marché », tsy nisy halatra na inona, hoy hoy kosa ny voalaza fa fiarovana avy amin’ny Minisitra.
EFA RANO RARAKA
Efa misy dingana maro atao vao tonga any any amina famoahana sary sy fampitadiavana olona toy izany ny mpitandro ny filaminana raha ny lojika, fa tsy handeha hanala Baraka olona fahatany. Mety efa misy fampiantsoana nisesisesy saingy tsy nipoitra, ohatra, ilay olona. Teto moa izany karazan’ny vitan’ny raharaham-pihavanana hoe: rehefa voaloa ny vola dia notsoahina ny fitoriana, raha halalinina. Misy tokoa ny hoe : zo amin’ny maha mbola tsy meloka na « présomption d’innocence », ary tsy nisy rahateo ny fanamelohana ity tompon’andraikitra ambony vao notendrena ity. Nilamina ny raharaha, saingy tsy afaka mamafa ny tantara tany aloha hoe: efa namoahan’ny mpitandro filaminana didy fampisamborana noho ny resaka fisolokiana sy fanaovana taratasim-bola tsy misy antoka no notendrena ho Tale Jeneralin’ny Ministeran’ny mponina. Na efa nilamina aza, heloka ny fanaovana “chèque sans provision”, araka ny lalàna 2004-045 tamin'ny 14 janoary 2005, ao amin'ny andininy voalohany : Eo ampanaovana taratasim-bola na chèque, dia tokony hamarinin'ny mpanao seky ny fisian'ny vola ampy, sy azo alaina avy hatrany, mifanentana amin'ny mari-bola soratany, ny tompon'ny seky iray. Ny tsy fisiana na tsy fahampian'izay vola izay ao anaty kaonty amin’ny banky, rehefa misy maka ilay seky, dia mitarika fisintonana ny seky sy tsy fahafahana manao seky mandritra ny 1 taona, izay mihatra avy hatrany, ary azon'ny Fitsarana hitarina hatramin'ny 5 taona,… Mba misy fijerena ve ny mombamomba ilay olona tany aloha ve ny fanendrena tompon’andraikitra ambony sa mandeha fahatany? Fanangonana ireo olona be afera ve ity Fitondrana ity? Inona tokoa moa izany no maha samihafa an’io sy ny raharaha Minisitra Brice Randrianasolo izay voatery nametra-pialana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap