airtel

Politique

17-août-2021

Politique

Ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola “Maro be ny olana, misy ny fanodinkodinam-bola”

Sample post image

Tsy vaovao amiko satria efa Sekretera Jeneraly aho no notendrena ho Minisitra, izany hoe ny ankamaroan’ny olona misy ao dia olana efa fantatra ihany, hoy Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison

17-août-2021

 minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola vaovao tamin’ny fandraisany ny fahefana omaly. Nambarany fa anisan’ny olana iray lehibe eo anivon’io Minisitera io ny fitantanana ny karama sy ny fisotroan-drononon’ny mpiasam-panjakana. Amin’ny 11 000 miliara vinavinan’ny tetibolam-panjakana hampiasaina amin’ity taona 2021 ity, dia Manodidina ny 3000 miliara ariary amin’izay dia karaman’ny mpiasam-panjakana, ary ny 800 miliara ariary dia fisotroan-dronono. Volabe satria efa ny ampahefatry ny volam-panjakana no handoavana karama sy fisotroan-dronono, kanefa misy amin’izany vola izany no mandeha any amin’ny tsy izy, misy manodinkodina, misy olona tsy tokony hisitraka karama kanefa mandray karama, misy mandray karama mihoatra, misy efa maty tsy tokony handray fisotroan-dronono kanefa mbola misy mandray,… Izany rehetra izany dia hanaovana fanadihadiana lalina, ary mbola hisy valan-dresaka manokana rehefa vita izay, hoy ny minisitra vaovao. Eritreretina fa noho ny “manipulation humaine” no antony, ka hiditra lalindalina kokoa amin’ny “digitalisation financière” mampihena kokoa ny fikitikitihana ny karama sy ny fisotroan-dronona. Isan’ny fanamby apetrak’ity minisitra ity ny fanovana lafiny deontolojia na toe-tsain’ny mpiasam-panjakana, indrindra ireo tena miasa amin’ny fikirakirana ny volam-panjakana izay saropady. Mila hananana ny deontolojia mafy be, hiezaka hametraka izany mba hifanaraka amin’ny fandaniana volam-panjakana. Tsy maintsy hapetraka sy hamafisina ny fifatokisana mba hisy tamberiny amin’ny vahoaka. Isika efa mampiahiahy ny olona foana amin’ny resaka fitantanana ny famatsiam-bola. Ny “budget de fonctionnement” na fampidinan-draharaha atao midangana be, dia ny fampiasam-bola na “investissement” indray no latsaka. Izay no olana amin’ilay hoe homena fiara, omena solika, credit, mitsabo tena any andafy, mahazo “indemnité d'installation”, “bonification”,… ho an’ny mpiasam-panjakana ambony. anefa tsy tena arakarak’izay ny vokatra avy eo.
4300 MILIARA AR HANAOVANA FAMPIASAM-BOLA
Ny vola no mitarika vola ka tsy maintsy hampiasa vola isika. Mety avy amin’ny Fanjakana, ampisain’ny tsy miankina, mety fampindramana,... Ao anatin’ny tetibolam-panjakana dia 4300 miliara ariary eo no eritreretina hanaovana fampiasam-bola na “investissement”, hoy ny minisitry ny toekarena sy ny vola. Isan’ny fanamby ihany koa ny fanamorana ny vesatry ny fikarakarana ara-panjakana, ary mbola misy departemanta mifandona ny lalàna, misy tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro tsy maintsy hovaina,... Isan’ny voaresaka ny mangarahara ka mety hisy fanadihadiana sy tatitra manokana ve ny momba ny fampiasam-bolan’ny covid-19 ?
Legende: Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola vaovao
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap