airtel

Politique

02-mars-2021

Politique

Miseho ny fambara rehetra Tafiditra anaty krizy i Madagasikara

Sample post image

Tena anaty krizy ny firenena Malagasy, ary tsy afaka hihambo ho mahafehy sy mahavaha olana ny Fitondram-panjakana ankehitriny.

02-mars-2021

 

 

 

 Tsy afaka hiantehitra lava amin’ny fampiasana ny mpitandro ny filaminana ho fitaovam-pamoretana sy ho fiarovan-tseza eo anatrehan’ny fahasosorana amin’ny endriny samihafa. Mampiharihary ny zava-miseho rehetra fa anaty krizy ny firenena: fitakiana amin’ny endriny samihafa raha tsy hilaza afatsy ny an’ny mpianatra sy ny sendika sasany, teritery amin’ny tafika izay voageja na “consigné” efa ho iray volana, ary misy ny miaramila manomboka tezitra, famerana ny fifamezivezena ho an’ny olom-pirenena noho ny sakantsakana ara-politika sy fiarovam-pahefana ka toy ny efa any amin’ny tany miady, miharihary ny fandrangarangana hery,... Mitombo ny fahasosorana satria miharihary ny mizana tsindrian’ila. Ny miaramila tsara karakara, mety mahazo “indemnité” 10 000 Ar hatramin’ny 30 000 Ar isan’andro hiady amin’ny mpanohitra, fa ny mpampianatra FRAM efa ho efatra volana mbola tsy nahazo ilay tambin-karama 91 000Ar isam-bolana ny ankamaroany, fa ny fampanantenana no betsaka. Sasatry ny mampiasa hery, mamono afo,… ny fanjakana, hany ka efa tena misavoritaka sy miteraka voka-dratsy vao iny milaza fa mivaha ny olana toy ny tany Toliara, izay nanaovana kabary politika miezinezina taorian’ny sakoroka sy fandrobana. Ho toy izany foana ve ny fomba fitantanana sy fiatrehana ny raharaham-pirenena? Olan’ny vatsim-pianarana sy ny karaman’ny FRAM izay azo ambara fa bitika mitaha ny vina hapetraka aza tsy voavaha, ka amin’ny fomba ahoana no hinoana sy hananana antoka 100% fa tsy balarora ireo fampanantenana goavana ventesina toa manidintsidina resahina isan’andro?

\Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap