airtel

Politique

16-févr-2022

Politique

Mitohy ny olana Tsy levon’ny vavonin’ny TGV-MAPAR i Ntsay

Sample post image

Tsy marin-toerana fa misavoritaka ambony ambany ny Fanjakana Rajoelina eo anatrehan’ny fipoahan-javatra miseho efa ho lava, ankoatra ny olana efa mianjady. T

16-févr-2022

ena Fanjakana mikorontan-dava ka tsy fantatra mazava ny làlan-kizorany sy ny hiafarany, fa na ny vinany aza mbola nikarohana manam-pahaizana handahatra ny laharam-pahamehana ankoatra ny hoenti-manana mbola hikarohana mpamatsy vola. Misafotofoto ny governemanta ankehitriny, ary mety tsy hijanona amin’ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha Atoa Imbiki Herilaza no ho tratry ny rivodoza ao anaty governemanta ao. Misy ny voatonontonona amin’ny afera maloto, misy manaratsy endrika ilay Fanjakana, misy tsy mahavita ny asany, ny ady an-trano manginy fotsiny,… Ao ny minisitra mety ho voakitika fa baraingo lehibe ihany koa ny mikasika ny Praiminisitra Ntsay Christian. Mbola ho voatazona amin’ny toerany ve ny tenany? Isan’ny tena manahirana ny Filoham-pirenena ny mikasika ity Praiminisitra ity, ary mety hananany olana ara-politika goavana. Efa Praiminisitra ny tetezamita nidirana tamin’ny fifidianana 2018 Atoa Ntsay Christian. Tsy nankasitrahan’ireo depiote IRD tao anatin’ny tolon’ny depiote 73, ka ny maraina dia mbola nolavin’izy ireo, ary rehefa nandeha ny fifanasana atidoha vao nisy indray ny fanambarana fa manaiky ny fanendrena ny Praiminisitra vaovao ny hariva. Atoa Ntsay Christian izay natolotra tamin’ny alalan’i Andry Rajoelina, saingy heverina fa nisy ny tsindry iraisam-pirenena fa tsy izy velivelively no noeritreretin’ny IRD. Mbola voatendry ho Praiminisitra taorian’ny fahalanian’Atoa Andry Rajoelina, saingy tsy mahafaly ireo tena TGV sy mpomba an-dRajoelina io. Tao anatin’ireny fikitihana governemanta nandeha teo aloha ireny, dia niandrandra hatrany ny fanoloana an’i Ntsay Christian olon-kafa. Nisy hatramin’ireo olom-boafidy sy mpikatroka anatin’ny TGV-MAPAR no manilika ny tsy fahombiazana tany amin’ny Praiminisitra, izay Lehiben’ny mpanatanteraka sady Lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tao ny namoaka vava fa raha tena TGV daholo ny tao anaty governemanta tsy ho tahaka izao ny fandrosoana,…
MISY MIKOAK’AFO
Maro amin’ireo tena mpikatroka TGV-MAPAR no mikopaka afo mafy ankehitriny fa ampy izay 3 taona ho an’Atoa Ntsay Christian izany. Amin’izy ireo, izao no fotoana tsara indrindra hanapahana ny tadim-poitra ho amin’ity Praiminisitra izay sokajian’ny sasany ho tsy nifofotra sy tsy nively vy tamin’ny fametrahana an’i Andry Rajoelina kanefa miravaka ny vanginy tsy miala mihitsy, kanefa ny vokatra ho an’ny governemanta sy mpanatanteraka tsy mahafa-po. Rehefa tsy voahaisotra izao, dia mety hatramin’ny farany no eo. Tsiahivina anefa etsy andaniny, fa ity Praiminisitra ity no niantsoroka ny fifidianana tamin’ny 2018. Ara-politika, voasokajy ho olona fahatelo mety ho afaka hisedra ny 2023 ihany koa Atoa Ntsay Christian.
Toky R

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap
27-mars-2024

Vaovao politika nalaza tao anatin’ny 48ora farany ny fanambarana politika

Card image cap
27-mars-2024

Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataona parlemantera vitsivitsy,

Card image cap