airtel

Politique

18-févr-2022

Politique

Mitombo ireo minisitra tratry ny ampamoaka Misy tetika hoenti-mandemy an-dRajoelina ?

Sample post image

ankehitriny ny maneho fa tsy fifandrifian-javatra ny voalaza fa nialan’ny Minisitry ny fitsarana Atoa Imbiki Herilaza, ary eo ihany koa ny Sekretera Jeneraly lefitry ny Fiadidian’ny Repoblika Atoa Dina Andriamaholy izay nambaran’ny

18-févr-2022

 fampahalalam-baovao iray, fa nesorina tamin’ny toerany. Voalaza anefa olona tena nitokisan’ny Filoha ireo, ka misy ny mandika ny zava-misy ho fomba hoenti-mandemy sy mampitoka-monina, ary mety ho fanonganana ankolaka an-dRajoelina mihitsy, hoy ny fanehoan-kevitra. Firy amin’ireo ao anaty governemanta no tena mbola manohana sy madio fo aminy? Etsy ankilany, mitombo ny tsindry ho an’ny Fanjakana ankehitriny, miitatra ny ampamoaka maro samihafa. Minisitra tsy latsaky ny 3 indray no voatonontonona amina afera sy kolikoly avo lenta taorian’ny Minisitry ny Fitsarana izay efa nametra-pialana ny 11 febroary, ka asa na ho voatazona aorian’ny mety ho fanovana governemanta ato ho ato. Voatonontonona ho iray tendro tamin’iny raharaha iny ny Minisitry ny fitaterana Atoa Tinoka Roberto izay miandraika ny fitaterana an’habakabaka, ka voalaza fa nandray 400 tapitrisa Ar tamin’ilay raharaha safitra an’ny teratany karana sarona teny Ivato ny 19 oktobra 2021. Ao aza ny mametra-panontaniana hoe: toa nanam-paniriana ho minisitry ny harena an-kibon’ny tany Atoa Tinoka Roberto. Misy manonona ho isan’ireo mpiray tendro amin’ny mpanao afera ihany koa ny Minisitry ny filaminam-bahoaka Atoa Randrianarison Fanomezantsoa. Voatonontonona ho nanao fanodinkodinana vola hatrany amin’ny 8 miliara Ar ihany koa ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka ankehitriny Pr Zely Arivelo Andriamanantany ka tany amin’ny 2020 no nisehoan’io, hoy ny fampahalalam-baovao iray omaly. Depiote 3 ihany koa raha kely indrindra no voatonontonona.
MANGINA NY CYBERCRIMINALITE
Tsy mbola meloka ireo olona voatonontonona ka noho izany mbola mitoetra ny hoe: “Présomption d’innocence”. Tsy midika ihany koa anefa hoe: tsy marina sy tsy mitombina ny raharaha rehetra, fa tokony handeha foana ny fanadihadian’ireo sampan-draharaha sy rafi-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly. Sarotra ny fanenjehana raha mbola manana fahefana ilay olona voatonontonona ary azo antoka foana ny fisian’ny tsindry. Ireny làlana nizoran’ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha ireny no lojika raha olona tena manana etika, ary fanao any ivelany izany rehefa misy raharaha mahasaringotra olona ambony, saingy ny eto miandry hosorohana amin’ny angady. Ny mpanapa-kevitra ihany koa mety matahotra, ka dia miara-maloto sy hifatraran’ny rihitra eo. Inona ihany koa no andraikitry ny sampan-draharaha misahana ny heloka an’habaka na ny “cybercriminalité” eo anatrehan’ireny karazana ampamoaka samihafa ireny? Ilay izy anefa tena manakorontana Fanjakana mihitsy. Marina sy mitombina ve ireny matoa tsy misy ny tena fanenjehana ireo mpanao ampamoaka amin’ny tambajotran-tserasera? Sa mitombina ilay hoe: ny avy ao anaty Fanjakana ihany no mifamely sy mifanontsana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap