airtel

Politique

15-févr-2022

Politique

Miverina Repoblika faha-II sy ny tetezamita Kitolotolotra sy kimoramora sisa vahaolana…

Sample post image

Mifankaiza amin’ny politikan’ny menaka mora sy vary mora nanomboka tamin’ny 2009 ny politikam-pitantanana ankehitriny?

15-févr-2022

Moa tsy miverina any amin’ny Repoblika faharoa dia ny filaharam-bary sy menaka, vahoaka jonoina sy miandry ho toloram-potsiny mba hanao “oie oie” sy “merci prezida”? Mahomby sy tena mitera-bokatsoa ve anefa io? Zary rehareha sy ventesina fatratra ny hoe: “Tonga aho, na tonga izahay mivady manolotra 100 000Ar”, na efa fantatra izao aza ny Iraisam-pirenena no angady nanana sy vy nahitana ny vola. Tsy vao izao ihany koa no nisy ny karazana tohana sy fanampiana sy tohana ara-bola tahaka itony, ary karazan’ny tohin’ireny no mandeha ankehitriny, tahaka ny “Vatsin’ankohonana” tamin’ny andron’ny Minisitra Onitiana Realy, izay mbola angady nanana ny famatsiana mitohy manodidina ny 300 tapitrisa dolara,….. Mandeha ny fampitahana ankehitriny hoe: ny Fanjakana mitonga fanampiana amina gony sy amin’ny taonina fa ny an’ny mpanohitra zara raha misy. Ny mpanohitra angaha no ifaninanan’ny Fanjakana fa tsy adidiny ny miahy vahoaka ary tokony ho vahaolana maharitra, mandeha ny fampitahana fa Atoa Filoha manome vary amin’ny gony sy manome vola, ary ankilany ny sary misy orinasan’ny Filoha teo aloha sy ireo fitaovan’ny Orinasa Tiko tamin’izany fotoana izany hoe: ny azy izay hampiroborobo ny orinasany no nataony fa tsy nizara ho an’ny vahoaka. Tsy resaka fijerena tsangan’olona ity: fa mba tsapan’ny tsirairay ve ankehitriny ny hirifirifirin’ny tsy famokarana miainga avy ato anatiny satria orinasa maro no may noho ny tsy fitovian-kevitra politika? Izany eo ihany, fa raha misy olona 2000 mahazo Tosika Fameno 100 000Ar avy izay hireharehan’ny Fanjakana anie, ka iray volana iny dia jifa raha maharitra indrindra. Fa raha misy olona 2000 miasa amina orinasa iray, sady afaka mamokatra no mikarama isam-bola, azo antoka ny fiainany. Izay no hivoizana foana, fa tsy vahaolana ny politikan’ny kimoramora sy ny politikan’ny kizarara, fa miasa sy mamokatra ihany no ahafahantsika miala ao anaty gejan’ny fahantrana lalina. Sao dia adinon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny ekipany aza fa Velirano faha-9 nosoratany anie ny hoe: fahavitan-tena ara-tsakafo sa mba hevitra tsaratsara nosoratana fotsiny ireny fa ny fanatanterahana azy poakaty ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap