airtel

Politique

17-août-2021

Politique

Moussa Soalihy “Tsy mbola governemanta hanomana 2023 io”

Sample post image

Isan’ny tiako amin’ity governemanta vaovao ity dia ny hoe tsy betsaka intsony ny avy any ivelany ao anatiny, hoy ny sekretera jeneralin’ny faribolam-pandinihana Miozolimanina, Moussa Soalihy.

17-août-2021

Isany nampimenomenona ahy foana, hoy izy, ny hoe aleo mba olona mahalala ny zava-misy eto no atao minisitra. Tsy fantatro koa moa hoe ny sisintany ve no tsy misokatra dia izay no antony sa ahoana? Hita ao koa ny solontenan’ny faritra miisa 6 ary zava-dehibe amin’ny fanaovana politika eto izany na dia iray ihany aza ny Malagasy. Misy olona tena niara-nitolona tamin’ny filoham-pirenena koa ao. Isany tsara koa ny fahasahian’ny filoham-pirenena nanala ireo minisitra nampimenomenona vahoaka. Nisy minisitra nametraka ny tenany ho “intouchable” na hoe tsy azo kitihina tao ary tsy fantatra hoe iza no ao ambadika fa tena niavonavona no tsy azo iresahana mihitsy kanefa dia iny tafala iny ihany moa. Tsy mbola governemanta hanomana 2023 io raha ny fahitako azy. Ny tena hamaha haingana ny olam-bahoaka hiaraha-mahita no fahitako an’io. Ohatra izao ny mikasika ny minisitry ny varotra izay nampimenomenona noho ny fiakaran’ny vidim-piainana dia nametrahana ny minisitra vaovao Edgard Razafindravahy izay fantatsika fa olona ela nilalaovana tamin’ny sehatry ny orinasa ary mahalala bebe kokoa ny tena marary ny vahoaka satria efa nitety faritra nihainoana izany. Mitantana tetikasa ho fanorenana ifotony koa izy. Manana olana amin’ny resaka famatsian-jiro sy ny manodidina azy koa ny vahoaka Malagasy dia napetraka ho ao amin’izany, ohatra, I Andry Ramaroson, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap