airtel

Politique

12-sept-2025

Mpitondra efa tsy hiova, tsy mitsinjo izay hiafarany

Mirehareha amin’ny basy, mihantsy fitsaram-bahoaka,…

Sample post image

Arakaraka ny tsy fahombiazan’ny fitondrana no vao mainka mampitombo

12-sept-2025

ny fihantsiana avy any anaty Fitondrana. Manao ny ataony sy mandrehitra afo mba hampiakarana ny fahatezeram-bahoaka ireo tompomenakelin’ny fitondrana toa an-dry Naivo Rahodina, Haingo Paradis,… hany ka manao vava tsy ambina. Tsy mba naka lesona tamin’ny « tsakitsaky zato arivo », « tsapaho aloha ny herinareo ! », « porofoy amiko fa mahantra ny vahoaka !»,… Tsy dia mahagaga anefa satria ny Filoham-pirenena izay vofaritry ny lalàmpanorenana fa miantoka ny firaisam-pirenena aza moa manasokajy ireo tsy mitovy hevitra aminy ho alika tamin’ny filazana fa « mivovo ny mpanohitra », ka mety tsy atao mahagaga satria miainga avy any ambony ny ohatra. « Ny lalàna azo amboarina na 5ème mandat aza, ary izay no mankarary an-doha ny mpanohitra. Na inona na inona horesahana eo, rehefa tian’ny vahoaka lany foana. Hanova lalàmpanorenana isika dia asaivo manao « tsia » izy fa izahay hanao « eny » dia izay maharesy, fa tsy olona kely 200, tsy olona kely 15000 no hisakana ny fampandrosoana », hoy i Naivo Raholdina. Nolazaina fa Rajoelina no mbola matanjaka eto, ary tsy misy afaka ny hanolo azy. "Ravalomanana efa ho drodraka, Siteny 10%,… mitapitapy ny mpanohitra », hoy i Naivo Raholdina. « Misy ireo mpanao politika namanay sasany dia miteniteny foana. Tokony ho sivanina ihany ny zavatra ambara », hoy ny valin-kafatry ny Depioten’i Betroka Nicolas Randrianasolo. Mifanipaka amin’ny lalàm-panorenana izany « 3ème mandat » izany ka tsy isika mpanao lalàna indray no hanitsakitsaka ny lalàmpanorenana. Fe-potoana fiasana roa ihany no azon’ny filoham-pirenena atao satria izay no mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana, hoy io depiote io. Taom-piasana 5 taona iray azo havaozina indray mandeha no voalazan’ny lalàmpanoreana ao amin’ny andininy faha-45 amin’ny lalàmpanorenana, saingy ny ao anaty Fitondrana no mahasahy mihantsy sy milaza ny mifanohitra amin’izany, izay kolontsaina politika hahafantarana ny volomboasary. Na ry Paul Rabary izay ao anatin’ilay hoe : UPAR (Union des Pro Andry Rajoelina) aza nilaza roa na telo volana lasa izay raha nivahiny tao amin’ny Top Radio, fa taom-piasana 2 misesy ihany no voalazan’ny lalàmpanorenana.

MBOLA MISY MANDRANITRA SY MIREHAREHA AMIN’NY BASY
Sahy sy toa mieritreritra ho tsy manahy ny ampitso ireo mpomba ny fitondrana eo anatrehan’ny fihantsiana samihafa mandeha ka asa na mandeha amin’ny anaran’ny tenany ireny na baiko sy toromarika politika hoe : rangito ny olona ? Dia ireny iaraha-mahalala ireny ny vava be ataon-dry Haingo Paradis milaza fa gaga amin’ireo lazainy fa faly sy maniry loza ho an'ny tanindrazana amin’ny tranga any Népal. « Mahazo mahatoky isika vahoaka fa manana ny Tafika sy ny Mpitandro Filaminana ary ny zandary isika . Mpanakorontana vitsy kely ireo tsy aharesy Tafika izany. Mbola hary fitaovana sy maro ny isan'izy ireo. Tsy misy mpanohitra izany intsony eto Madagasikara fa olona mandrovi-tsihy te hody sy manofy mba hitondra ny Firenena sisa ireo mitabataba ireo. Mahatratra 30 tapitrisa eo ho tsinona ny isantsika Malagasy amin’izao », hoy ity mpiseserasera amin’ny tambajotran-tserasera manohana fatratra ny fitondrana ity.

MISY IHANY NY TAHOTRA HISIANA FIPOAHANA…
Ny sasany mihantsy, saingy tsapa sy tsikaritra ihany ny endrika ahiahy mivantana na ankolaka ao anaty Fitondrana, raha raisina amin’ny resaky ny Minisitry ny serasera sady mpitondra tenin’ny governemanta, Mara Donna, izay milaza fa « Tany demokratika i Madagasikara ka amin’ny alalan’ny fifidianana ihany no hametrahana ireo andrim-panjakana », raha niresaka fifidianana loholona saingy heverina fa mifandraika amin’ny toe-draharaham-pirenena sy ny mety ho tsio-drivotra toy ny any Népal sy Frantsa. Nolazaina fa anisany hapetraka ny fitandroana ny filaminana sy ny fitoniana mialoha mandritra ary aorian’ny fifidianana. Tsy azo ekena ny fambolena korontana mandritra io vanim-potoana io satria ny tany milamina ihany no afaka mitondra fampandrosoana ho an’ny firenena, hoy ihany ity farany, hoy i Mara Donna. Ny zava-misy ara-pitantanana, ara-toekarena, ara-politika, ara-tsosialy,… ve mitondra filaminana. Mitandro ny soatoavina Repoblikanina ve ny mpitondra sy ireo mpisolelaka mandranitra vahoaka sy mpanohitra eo anatrehan’ny fitondrana tena difotry ny tsy fahavana olana (delestazy, làlana tapitra potika, sandam-bola mitotongana, vahoaka tsy an’asa, kolikoly manjaka,…)? Tsy mba maka lesona amin’io zava-misy any Népal io ve fa tsy maharesy vahoaka ny basy saingy eto mbola misy sahy milaza an’izany izay tsy mba iray fa roa raha kely ? Sanatria hiafara amin’ny rotaka foana vao ho tonga saina ?
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

18-févr-2026

nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny Birao maharitry

Card image cap
18-févr-2026

Betsaka noho ny miaramila Rosianina

Card image cap
17-févr-2026

Nitsefotra ny fikasana hitarika olona

Card image cap
17-févr-2026

tsy miorina amin'ny fahamarinana"

Card image cap