airtel

Politique

01-mars-2022

Politique

Mpitondra fanjakana Mifankahafantatra dosie ka tsy sahy mifamely

Sample post image

Mangina tanteraka ny tohin’ireo dosie goavana nahasaringotra olona ambony, izay nivadika ho raharaham-panjakana.

01-mars-2022

Nampanginina ny « bonbons sucettes » 8 miliara Ar tamin’ny andron’ny covid-19 na niafara tamin’ny fanesorana minisitra aza. Nangina ny resaka « écrans plats » 216 tapitrisa Ar izay ahiana ny kiantranoantranon’ny Minisitry ny atitany teo aloha sy ny vadiny. Nanao ampamoaka ny mpiasan’ny tsenam-panjakana (marché public) tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana, fa 730 tapitrisa nandokoana hopitaly manara-penitra miisa 7; 980 tapitrisa Ar no nanaganana "centre de transplantation rénale" ao amin'ny CHU Andohatapenaka ka dosie hosoka no nampiasana; volan'ny minisiteran'ny fahasalamana 44 miliara Ariary no nalaina ary tsy naverina manontolo ny taona 2020,… Toa nanamarina ny tsy fangaraharana momba ny fitantanana ny 440 tapitrisa dolara na 1818 miliara Ar ny Fitsarana misahana ny kaonty. Ny mahagaga, mangina tanteraka ireo dosie goavana samihafa. Ny rafitra mpanadihady sy mpitsara anefa efa mipetraka daholo : Bianco, SAMIFIN (sampan-draharaha miady amin’ny famotsiam-bola) miantsoroka ny ady amin’ny famotsiam-bola, ny ARAI (Agence de recouvrement des avoirs illicites) miantsoroka ny fanagiazana ireo harena sy fananana azo tamin’ny tsy ara-drariny, ny CSI (Comité pour la Sauvegarde de l’Integrité), ny PAC (Pôle Anti-Corruption) mitsara ny raharaha kolikoly avo lenta,… Mitarazoka na tsy misy ny fanadihadiana, ary boriboriana amin’ny hoe : «Efa mandeha ny fanadihadiana ».
MIFANKAHALALA AFERA
Olona ambony no voatonontonona, saingy tsy sahy mifampikitikitika satria tombanana ho mifankatahotra satria afera. Heverina ny fisian’ny baiko sy ny toromarika amin’ny fampanginana ireny dosie goavana ireny, mba tsy hitarika fipoahan-javatra hafa. Tsy ny dosie goavana ihany, fa misy raharaha mafana hafa, toy ny mikasika minisitra mivady izay tototry ny tsikera, saingy malaza ho mandrahona hamoaka dosie vao kitikitihina, hany ka hatramin’ny depiote mpomba ny fitondrana aza tofoka. Ny farany teo, dia ny raharaha nahasaringotra ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha momba ny raharaham-pitsarana mety misy resaka fitakiana vola, ny resaka ady tany,... Teo ny raharaha trafikana safira goavana 925 grama teny Ivato ny 17 oktobra 2021. Minisitra efa tsy eo sy minisitra iray mbola am-perin’asa no voatonontonona fa nandray 400 tapitrisa Ar tamin’ny karana, saingy mbola voasakana ihany ny entana. Voalaza fa niditra tamin’ny “Plan B” ka minisitra voalaza fa nomena lelavola tahaka ny minisitra iray hafa, saingy mbola nidoboka am-ponja vonjimaika ireo karana, ka raikitra ny fitakiana famerenam-bola, heverina ho nampirefotra ny raharaha. Nahoana no misy ny nesorina tao amin’ny governemanta ary nahoana no misy tsy voakitika? Misy depiote voatontonona, saingy tsy voakitikitika mihitsy,… Raha tena hanadio Fanjakana mila fahasahiana, fa matoa tsy samy manapa-kevitra amin’ny dosie goavana dia ao raha.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap