airtel

Politique

20-juin-2022

Politique

Mpitondra Malagasy Ataon'ny olona tsakin'ady fotsiny anaty fifampiraharahana

Sample post image

Tonga amin’ilay fomba fiteny hoe: tsy ambony tsy ambany tahaka ny lohalik’alika ny Fanjakana ankehitriny amin’ny resaka adihevitra sy fifandresen-dahatra amin’ny mpamatsy vola.

20-juin-2022

Fitondrana tsy manan-kambo ihany koa, tsy arakarakaraka ny vava be natao fa tsy hampandroso na amin’ny 2030, 2050, 2060 raha miantehitra amin’ny mpamatsy vola mahazatra, ary rehefa Rajoelina no dia isika indray no hampindram-bola an’i Kaomoro rehefa izy no Filoham-pirenena. Inona anefa no niseho tato aoriana, ireo nambara fa mpiara-miombon’antoka naseho tamin’ny propagandy na nialohan’ny propagandy, saingy toa sary iray mipika. Nolazaina fa efa niomana 4 taona Atoa Rajoelina ary vonona ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika? Mailaka amin’ny fakana sary miaraka amin’ny mpamatsy vola ny Fitondrana ankehitriny, saingy tsy dia mahita vokatra firy? Ireo tohana sy famatsiana mikasika ny maha olona no tena betsaka, ary zavatra efa nisy hatramin’izay ny ankamaroany. Maro ihany koa ny tetikasa izay ny Fanjakana teo aloha no angady nananana sy vy nahitana izany, raha tsy hilaza afatsy ity làlam-pirenena faha-13 vao fanombohana dia efa nandaniana vola an-jatony tapitrisa maro nanaovana seho ivelany. Ny sehatra mpiara-miombon’antoka no mitazona ny ain’ilay Fanjakana satria maivana any amin’ny resaka fifandresen-dahatra, tsy tena mahazo vokatra firy. Henjanin’ny mpamatsy vola any amin’ny fepetra momba ny vidin-tsolika, tsy atokisana ka ampanaovina “contrat de performance” mialohan’ny hivoahan’ny famatsiam-bola amin’ny resaka rano fisotro,… Tsy omen’ny olona famatsiam-bola firy satria manodidina ny 1 miliara dolara isan-taona eo ihany no famatsiam-bola azontsika, izay fampiodinan-draharaha sy tetikasa momba ny maha olona sisa no tena mandeha.

FANDAHARAN’ASA TSY MAZAVA
Ny fandaharan’asan’ny fitondrana tsy marin-toerana sy tsy fantatra firy hoe: inona? IEM ve? PEM ve? Velirano ve? Nisy ny fifandresen-dahatra tamin’ny mpamatsy vola momba ny PEM (Plan pour l’Emergence de Madagascar) ny febroary 2021, saingy tahaka ny voatsipaka ambavafo. Ny PMDU (Plan Multisectoriel d’Urgence) no nambaran’ny mpamatsy vola fa hotohizana hatramin’ny jona 2021, ary nolazain’ny Fanjakana fa aorian’izay tonga dia mitohy amin’ny PEM. Ny febroary 2022 vao hoe: nitady manam-pahaizana handahatra ny laharam-pahamehana sy hanamora ny fitadiavana mpamatsy vola. Raha miverina amin’ny MAP (Madagascar Action Plan) izay 8 miliara dolara eo ny vola hoenti-manatanteraka azy, efa nahita manodidina ny 4 miliara dolara ny Fanjakana Ravalomanana, nahatoky ny mpamatsy vola. Mafy tamin’ny fifandresen-dahatra na “négociation” izany Fanjakana Ravalomanana izany. Ny an’ity Fanjakana ity kosa tsy hita izay niafaran’ny fandaharan’asany. Ny firenen-kafa lasa ihany, tahaka an’i Côte d’Ivoire, izay nankatoavin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) ny famatsiam-bola 26 miliara dolara hanatanterahany ny “Plan National de Développement”, izay midika fa mafy amin’ny fandresen-dahatra ny filohany, Fonksionera ambony teo anivon’ny FMI rahateo i Alassane Ouattara,… Aiza ho aiza amin’izany ilay Fitondrana Rajoelina nilaza fa ho sangany aty Afrika sy hanavotra izao tontolo izao? 400 tapitrisa dolara ho an’ny 2023 hatramin’ny 2028 no hireharehana. Voatery mitady fifampiraharahana amin’ny Arabo saingy inona no ho tambiny fa tsy hampiasa vola fahatany aty ireo ?

Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap