airtel

Politique

14-févr-2022

Politique

Mpitondra mifandramatra Namaky ady tamin’i Brunelle i Rajoelina

Sample post image

Nihetry sy nilentika ambany dia ambany indray ny Filoha Rajoelina, ka namaly bontana ny Depiote voafidy tany Ikongo Atoa Brunelle Razafitsiandraofa, fa tsy laharam-pahamehana ny teleferikan’Antananarivo.

14-févr-2022

Herinandro teo izay no nanehoan’io olom-boafidy io, fa izy dia «anisan’ireo teratany Malagasy tsy miombina sy mametraka fa tsy laharam-pahamehana izany teleferikan’Antananarivo izany ny tenany. Ny antony dia tsotra hoe: ny distrika eran’i Madagasikara aza tsy mifandray akory, dia inona no hihazakazahana amina teleferika? Ilaina izany fa aoriana fa raha ohatra, ka mandahatra laharam-pahamehana, ampifandraiso aloha ilay distrika satria izany izao no mahazo anay any Ikongo, tsy misy mijery tsy misy mahita satria tsy misy làlana, tsy misy làlana satria tsy namboarina…. Isika ve nahazo vola amina fiaraha-miasa amina firenena roa , vola trosaina dia maninona no tazonina amina toerana iray, kanefa ilay filàn’ny firenena an’ny faritra mbola goavana sy mivelatra be. 151 tapitrisa euros tsinjaraina amin’ny distrika 119 hanokafana làlana,… Mandra-pahoviana vao tena ho tongan’ny fiara any amin’izany Midongy Atsimo, Vondrozo, Nosy Varika, Tanambao Manampotsy, Marolambo, Kandreho, Tsaratanana,…. », hoy ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa. Tsy levon’ny vavonin’ny Filoha io ka nilazany, « Misy ny olona miteny hoe: raha fa tsy vita ny làlana atsy, raha tsy vita ny làlana aroa dia ajanony ny fotodrafitrasa atsy. Aleo foanana ny ministeran'ny fahasalamana raha tsy afaka manao hopitaly manara-penitra isika raha tsy vita ny lalana ary amin'ny distrika àry. Aleo foanana ny ministeran'ny Fitsinjaram-pahefana, raha tsy afaka manangana Kaominina manara-penitra isika raha tsy vita ny lalana ary amin'ny distrika ary" hoy i Andry Rajoelina nampiaka-peo, toa te haneho fa tezitra mafy.
TSY VAO IZAO NO NENJEHINA
Tamin’ny resaka fananganana ny faritra faha-23 nizarana ho roa an’i Vatovavy sy Fitovinany no nisy ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny Fanjakana na andeha atao hoe: ny Filoha mivantana sy Depiote Brunelle. Nialohan’ny nidirana tamin’io, dia efa nilaza mahitsy ity Depiote ity, fa mila manana hivim-pahalalana na « notion » momba ny Haivondron’olona (Ethnologie) sy Haiolona (Anthropologie) ny Fanjakana fa tsy politika fotsiny. Nandeha ny fizarana ny Faritra, nangataka ny ho anatin’i Vatovavy i Ikongo, saingy noterena nalefa Fitovinany na teo aza ny fitakiana samihafa. Nandeha ny lanonana momba ny fahazoana faritra vaovao, fa tsy tao anaty tabilao hatrany ny Depiote Brunelle… Mitohy aty amin’ny teleferika, izay efa nandrangarangan’ny Filohana Vondrona Parlemantera IRD Depiote Paul Bert fa tsy nanaraka ny sata, ka andraisana fepetra. Programam-panjakana ny teleferika, ary solombavambahoaka ao anatin’ny fahefana mpanao lalàna sy mpanara-maso ny mpanatanteraka no miteny. Sa programan’antoko sy Vondron’antoko ka miaka-pofona ny IRD sy TGV raha misy tonga saina ao aminy ka tondroina ho mitsivalam-pandry ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap