airtel

Politique

10-juin-2022

Politique

Mpitondra tsy mahazaka firenena Miala bala lava, tsy tena manana vahaolana

Sample post image

Ankoatra ny lonilony politika miotrika ahiana hirefotra indray raha tsy voafehy, mitombo ary mihalalina ny krizy ara-toekarena sy ara-tsosialy eto Madagasikara.

10-juin-2022

Sarontsaronana sy ialana bala amin’ny resaka valanaretina, ady any Ukraine, loza voajanahary nandalo,… saingy miharihary ny tsy fahaiza-mitantana sy tsy fahaizana miatrika olana. Marina fa nisy ny krizin’ny coronavirus, ady any Ukraine,… hanilihana lava saingy tsy afaka miala bala amin’io foana. Samy taoriana krizy goavana avokoa no nandraisan-dRavalomanana fahefana ny tamin’ny raharaha 2002 fa vetivety dia tafarina nanana harin-karena faobe 7,1% taty amin’ny 2008. Krizy lalina vokatry ny fanonganam-panjakana 2009 niteraka sazy iraisam-pirenena sy ny tetezamita lavareny no novantanin-dRajaonarimampianina fa afaka nametraka fototra hiaingan’ny toekarena ka 5,4% ny tahan’ny fiakaran’ny harin-karena. Ity kosa isak’izay mahazo fahefana toa miha mitotongana hatrany. Ny fiakaran’ny harin-karena niiba hatrany amin’ny -7% raha 5,4% no novantanina teo. Ny Malagasy niha nahantra farahidiny nitombo 7% tao anatin’ny 3 taona ka raha 74% efa tonga 81%,… Mihasarotra ny fiainana, miha mahantra ny olona, midangana hatrany ny vidim-piainana. Mananontanona izao ny fiakaran’ny vidin-tsolika izay tena hanampy trotraka ny olana efa misy. Ny olan’ny Fanjakana sy ny mpandraharaha ara-tsolika, ny amin’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny Jirama,… mbola ady mangatsiaka tsy mety mivaha. Toa marefo sy refesin’ny olona ny fahefam-panjakana, saingy ny vahoaka hatrany no mizaka ny ngidiny raha tsy hilaza afatsy io delestazy mahery vaika andro aman’alina io. Resahina foana ny hoe: fanadiovana, fitsirihana lalina, fifanamboarana kaonty,… saingy tsy mety vita. Ny vidim-piainana midangana izay tsy izy ary mbola hidangana, ny krizy mihamafy, fa ny vahaolana hiatrehana an’izany toa petatoko ny ankamaroany, ny laharam-pahamehana mbola kisehoseho ivelany no betsaka,... Naroso ny ampahana vahaolana fampiakaran-karama izay efa 23 mey no nanaovan’ny Filoha fanambarana ho an’ny tsy miankina fa aiza ihany ilay didim-panjakana? Tena tsy azo fehezina ve ny vidim-piainana? Betsaka ny olana tsy tena voavaha: mpandanja fiara tsy voaloa ny karama, mpanamboatra làlana hatramin’izao tsy nahazo ny volany amina miliara, mpiasan’ny zotran-dalamby FCE misy mitaraina fa 8 volana tsy nandray karama,

Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Hanao rodorodo any Toamasina hiatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra anio

Card image cap
17-avril-2024

Efa niteny ny antoko politika Teza fa tsy handray anjara amin’io fifidianana io satria ho haingon-tsehatra

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny fanapahan-kevitra hafahafa ao amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza taorian'ny nanonganan'ny IRD

Card image cap
16-avril-2024

Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na

Card image cap
16-avril-2024

Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo

Card image cap
16-avril-2024

Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana

Card image cap