airtel

Politique

18-févr-2021

Politique

Naina Andriantsitohaina “Tsy azonareo hidirana ao Ambohijatovo”

Sample post image

Nanamafy ny fanoherana ny hidiran’ny mpanohitra eny amin’ny Kianjan’ny

18-févr-2021

 

 

 

demokrasia Ambohijatovo amin'ny sabotsy 06 febroary ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina omaly. Nambarany fa ny orinasa manao zaridaina ihany no afaka miditra eny amin’ity Kianjan’ny Demokrasia, lasa kianja mitondra ny Anaran’ny Pr Zafy Albert, ary avadika ho “parc botanique” ity. Hatreto aloha raha eo amin’ny Kaominina tsy mahita toerana ahafahana manao izany, raha ny nambarany. Marihina fa tsy vao haingana no noresahina io zaridaina io, hoy hatrany I Naina Andriantsitohaina. Efa tamin’ny voalohan’ny taona no noresahana. Tamin’ny volana septambra tao anaty krizy no efa nandeha ny dingana rehetra, toy ny tolotr’asa fanamboarana ary ny janoary vao tapaka ny orinasa. Tsy hopotehina ny asa efa natomboka, ny zaridaina hatreto mbola hikatona. Raha misy toerana hafa angatahan’ireo teo hamory olona dia hojerenay izay. Ny tena hitako rariny anefa satria depiote no nangataka hivory, dia tokony any amin’ny boriborintany misy azy izy no manao tatitra. Tsiahivina, fa ny talata lasa teo, dia nampahatsiahy ny nambaran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) ny depiote Hanitra Razafimanantsoa ny talata teo momba ilay hoe any amin’ny toerana nahalany no tokony hanaovana tatitra. Ao anatin’ny boriborintany I nahalany azy ny etsy Ambohijatovo, ka nilazany fa ho avy ao izy ireo, am-pahasahiana ary tsy mihemotra.

TSY MAHAZAKA DEMOKRASIA ?

Tsara ny mampahatsiahy hatrany fa ny 17 janoary 2009 niantombohan’ny fanonganana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana no nanaovan’i Andry Rajoelina batemy ity kianja ity ho kianjan’ny demokrasia, saingy nohidiana, nosakananana natao andrimaso ny fahafahana niditra tao tamin’ny tetezamita. Raha nikasa hiditra tao, dia isan’ny nojenjenana lakrimozenina ny Filoha Zafy Albert fahavelony, tamin’ny andron’ny tetezamita. Ny 13 oktobra 2020 anefa, notokanana ny tsangambato ao anatiny, ary nampitondraina ny anaran’ity Rain’ny demokrasia ity io kianja io, saingy raran’ny mpitondra mafy ny fidiran’ny mpanohitra ao, rehefa izy no nahazo seza. Mba mahazaka demokrasia ve ? Rehefa iza no misioka dia voromanga ary rehefa iza dia vorondolo ?

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap