airtel

Politique

15-janv-2021

Politique

Naina Andriantsitohaina “Tsy maintsy ho tafaverina amina fepetra hentitra isika”

Sample post image

Nandritra ny lanonana nisiana fifanaovan-tsonia noho ny fiaraha-miasa amin’ny

15-janv-2021

 

 

 

masoivoho Japonais amin’ny alalan’ny fanolorana fitaovana ho an’ny mpamonjy voina no nanehoan’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina hevitra momba ny fepetra horaisina eto Antananarivo manoloana ny covid-19. Ny fepetra voalohany dia mikasika ny asan’ny kaominina. Midina eny an-tànana sy mifanerasera amin’ny mponina ka hohamafisina aloha ny fitaovana hoentina, hoy izy namamly ny mpanao gazety. “Tsy maintsy ho tafaverina amina fepetra hentitra isika, mitovy amin’ny teo aloha tsy hoe fihibohana, fa na izany aza hita ho tsy dia manaraka fepetra intsony ny olona. Tsy manao arovava intsony, ka noho izany dia tsy maintsy hiverina amina fitantanana hentitra kokoa”, hoy i Naina Andriantsitohaina. Ho an’ny taksibe dia mbola hivory miaraka amin’ny komity ara-stratejika ny kaominina, ny fepetra ara-pahasalamana tsy miova izay efa ho herintaona eo izao no nametrahana azy. Tsy mbola miova ireo fa ny fanaraha-maso azy ireo ny hampitomboina, hoy ny ben’ny tanàna. Tsy maintsy maintsy hiverina amin’ny fampanajana ny fepetra anatiny toy ny isan’ny olona, ary ho hita eo ny resaka famendrahana, fa raha ilaina dia tsy maintsy haverina.

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap