airtel

Politique

09-nov-2021

Politique

Naivo Raholdina Miantso fampihavanam-pirenena

Sample post image

Noporofoin’ny Solombavambaohaka, Naivo Raholdina, fa 12 taona ny naha volomboasary azy ary 2 taona naha filohan’ny departemantan’ny TGV na antoko politika Tanora Gasy Vonona ao amin’ny Boriborintany fahadimy azy.

09-nov-2021

 Tokana tsy mivaky, hoy izy, ny TGV boriborintany fahadimy ary manana ny tanjany. Mofomamy 5 metatra sy koba Malagasy am-polony no nanehoan’ny mpikambana TGV ny Fihavanany sy ilay hoe « Fa ny fitiavana no lehibe indrindra” tao anatin’ny fety lehibe nihaonan’ny mpikambana indray taorian’ny hahamehana ara-pahasalamana ka mpikambana miisa 1200 teo no nifampitaona teo amin’ny kianja maitson’ Analamahitsy ny sabotsy 6 novambra lasa teo. Rakotra volomboasary ny toerana nivoriana ary noporofoin’izy ireo fa mbola manana ny tanjany sy ny heriny ny TGV tarihan’ny Filoha Andry Rajoelina ary mbola manana « Base » hatrany amin’ny secteur rehetra ka vonona hiatrika ny fifidianana misy rehetra hatrany amin’ny sefo fokontany, Ben’ny Tananà, Solombavambahoaka, Filoham-pirenena sy ny hafa rehetra. Miantso amin’ny fampihavanam-pirenena koa ny Filohan’ny TGV boriborintany fahadimy, Naivo Raholdina, ho an’ireo namana eto amin’ny fitondrana mba tsy hisian’ny fifanenjehana ara-politika, mba hisian’ny fifamelan-keloka fa samy Malagasy, hoy hatrany izy, fa aleo handeha malalaka ny fifidianana. Ny TGV dia tsy matahotra fifidianana. Ankoatra ny kabary politika dia nisy ny fifaninana teo amin’ny fokontany mendrika tao anatin’ny fokontany miisa 27 anaty boriboritany fahadimy ankoatra ny fanaovana fotodrafitra, fanadiovana ny tanana sy sosialy natao isam-pokontany izay notarihin’i Hanitriniala Raholdina, dia nahazo loka 2 hetsy ariary avy ireo dimy voalohany amin’ny maha boriborintany fahadimy azy, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap