airtel

Politique

06-déc-2022

Politique

Naivo Raholdina “Miaro ny zanak’Antananarivo aho”

Sample post image

Voatonontonona foana ny anarako tao ho ao, hoy ny depiote Naivo Raholdina, noho ny resaka hoe miaro TGV sy ny maro. Tsy afenina aminareo, hoy izy,

06-déc-2022

fa efa nanomboka tamin’ny 2009 izahay no nitolona. Hatramin’izao tsy mbola niala tamin’ny filoha Andry Rajoelina. Tsy ny depioten’I Benenitra na Soalala mihitsy no hanome lesona an-dRaholdina. Samy “3 mandats” izahay. Fiarovana ny filoha Andry Rajoelina no tsy hirarahiako ireny rehetra ireny. Efa tafaresaka tamin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra aho. Efa tafita ny hafatra. Tsy ekena ny fanilikilihana mpikambana TGV. Ikotobalita no natao batisa, Ikotovoalavo no mitsoriaka any an-danitra. Zanak’Antananarivo aho. Anaty Imerina 6 toko I Vakinankaratra. Raha miaro ny olony ny avy any amin’ny faritra dia miaro ny zanak’Antananarivo koa aho! Malagasy iray isika, hoy I Andrianampoinimerina. Ny ranomasina no valamparihiko. Mitovy daholo na avy any atsimo na atsinanana. Tsy ekena ny hoe rehefa miova ny minisitra dia miova hatramin’ny “planton” na irakiraka. Tsy manana olana amin’ny minisitry ny mponina aho fa tsy ekeko ny manalanala olona amin’ny tsy rariny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap