airtel

Politique

07-janv-2021

Politique

Namely tena ny Filoha Rajoelina « Fifandimbiasana demokratika raha te handroso »

Sample post image

Rehefa vita ny fifidianana Filohan’ny repoblika tamin’ny 2018 dia nametraka an’I

07-janv-2021

 

Madagasikara teo amin’ny laharana faha-10 tamin’ny firenena demokratika indrindra aty Afrika, hoy ny Filoha Ankehitriny Andry Rajoelina nandritra ny fandraisana ireo Filohana andrim-panjakana samihafa. Raha tiantsika handroso ny firenena dia zava-dehibe ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika satria mampiorina, ary mitondra mankany amin’ny fampandrosoana andrandrain’ny vahoaka. Raha tiana handroso ary hotratrarina ho isan’ny firenena mandroso indrindra isika, dia mila tazonina izay fifandimbiasam-pahefana amin’ny alalan’ny fifidianana izay. Hanolotra amin’ity volana ity ny PEM, izay hamaritra ny fomba hoenti-mampandroso ny firenena ao anatin’ny fifaranan’ny fe-potoana hitantanako ny firenena, fa misy fijery lavitra ihany koa hoe tokony ohatran’ny ahoana I Madagasikara afaka 20 taona, hoy izy. Zavatra iray no ampiataiko, hoy izy nanamafy, dia ny hoe raha tiana ho tratra ny fampandrosoana tiana hapetraka, raha tiana ho tratra ny PIB tombanana ho tokony hihoatra ny 4000 na 5000 dolara isaky ny olom-pirenena dia tsy maintsy mipetraka ary tsy maintsy hapetraka ny fifandimbiasam-pahefana amin’ny fifidianana. Izay no zava-dehibe, fa vao tsy tratra izany ao anatin’ny fifidianana 4 mifanesy ho avy, dia sarotra ho antsika ny hanatratra ny fiakaran’ny harin-karena sy hampivoaka an’I Madagasikara ho sangany aty Afrika, hoy I Andry Rajoelina. Manome lesona momba ny demokrasia sy ny fifandimbiasam-pahefana I Andry Rajoelina, izay nitarika fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 fa tsy nahandry fifidianana. Tsapany ve fa nitotongana sy potika, ary tsy tafarina mandrak’androany voka-dratsin’ny fanonganam-panjakana ? Ririnin-dasa tsy tsaroana izany ireny ary rehefa ny tena dia voromanga fa rehefa ny hafa dia vorondolo? Mieritreritra taom-piasana 4 ve ny firesahana sarotra ny hanatratra ny tanjona raha tsy milamina ny fifidianana 4 misesy?

 Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap