airtel

Politique

16-mai-2022

Politique

Nanjavona ny raharaha Imbiki Herilaza Mbola eto sa efa nadio ny rano nitany ?

Sample post image

Telo volana aty aoriana, nangina tsy nisy tohiny intsony ilay raharaha nanosehana ny minisitry ny fitsarana teo aloha Atoa Imbiki Herilaza tamin’ny toerany ny 11 febroary 2022 lasa teo.

16-mai-2022

Voatonontonona tamin’ny raharaha goavana, toy ny resaka raharaha ady tany eny amin’ny Fitsarana, resaka fidirana an-tsehatra amina afera fanondranana harena an-kibon’ny tany, mety ho antony ara-politika ihany koa,… Nisy ny karazana ampamoaka nilaza fa nandray vola be 400 tapitrisa Ar tamin’ny raharaha fahatrarana teratany vahiny nitondra safira 925g teny Ivato ny 17 septambra 2021 ity minisitra ity sy minisitra iray hafa mbola ao anaty governemanta, saingy mbola nidoboka am-ponja ny olona sarona tamin’izany, ka antony nahavaky ny resaka. Nihazakazaka ny fandaozany na ny fanosehana azy hivoaka ny governemanta, saingy nangina tsy nisy tohiny ny raharaha. Ny fomba firesaky ny Praiminisitra taorian’ny fialany dia toa nandetika ankolaka ity minisitra teo aloha izay nalaza tamin’izany fotoana izany, fa tsara toerana hahazo ny toerana ao Mahazoarivo. Ny volana martsa 2022 teo, voalaza fa namoahana didy tsy fahafahana mivoaka an’i Madagasikara na IST Atoa Imbiki Herilaza, saingy tsy re intsony ny tohiny mandrak’ankehitriny. Mbola eto Madagasikara ve sa efa any ivelany sy efa nadio ny rano nitany? Ny tsikaritra aloha, dia tsy hita intsony amin’ireny lanonana ara-pitsarana lehibe anasana ireo Minisitry ny fitsarana teo aloha ireny izy. Ekena fa ny Fitsarana ambony HCJ (Haute Cour de Justice) no manana fahefana hitsara azy, saingy na ny tohin’ny fanadihadiana, toy ny avy amin’ny Bianco na ny PAC (Pôle Anti-Corruption) aza tsy re na misy na tsia. Na ny teo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara moa mbola tsy nisy fanapahan-kevitra manokana momba azy re ka heverina fa isan’ny mampitarazoka ny raharaha. Na izany aza, mangina tanteraka toy ireo raharaha goavana samihafa ihany ity afera ity. Efa mandeha ny fanadihadiana araka ilay valiteny boribory fandre matetika ve ?
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap