airtel

Politique

14-juin-2022

Politique

Neken’ny depiote ilay « immunité » Ho lasa tsimatimanota ireo ben’ny tanàna ?

Sample post image

Lany teny anivon'ny antenimieram-pirenena omaly 13 jona tamin'ny 5 ora hariva ny lalàna manome "immunité" na zo tsy hohenjehina sy tsy hogadraina ho an'ireo ben'ny tanàna eto Madagasikara.

14-juin-2022

Mandeha ny resaka fa ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa no tena niaingan’ilay tolo-dalàna fa avy eo rehefa tena natao ny famakiana na “lecture” sy ny fanolorana dia hoe nasaina natolotry ny depioten’i Soavinandriana Itasy Fhy Razaiharimalala, indray ilay izy. Na efa somary nisalasala aza ny ankamaroan’ny depiote, lany ihany ilay lalàna satria natao toy ny resa-pianakaviana, ny samy mpomba ny fitondrana izay manana ny maro an’isa no nanao nandany azy, efa fomba fiady ihany moa ilay harivariva na alina mihitsy no atao ny tsanga-tanana,... Misy endrika fandikana sy fanitsakitsahana lalàmpanorenana tsotra izao io satria ny solombavambahoaka irery ihany aloha no voatondro fa manana "immunité", tsy azo toriana sy samborina mandritra ny fotom-pivoriana, raha tsy hoe tratra ambodiomby, raha ny fanamarihan’ny mpahay lalàna. Mbola tsy maintsy mila ny tsodranon'ny birao maharitra aza ny faanenjehana sy fanadihadiana solombavambahoaka iray raha misy raharaha mahasaringotra azy. Tsy misy an'izany hoe ben'ny tanàna manana zo tsy azo samborina sy tsy azo gadraina izany fa dia natao ambolera tsotra izao ny fandaniana ilay lalàna, ary lalàna teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza izany, raha ny fanamarihan’ny mpahay lalàna hatrany. Tato ho ato, betsaka ny raharaha mahasaringotra ben’ny tanàna, izay misy ny ady heloka tsotra, misy ny heloka bevava, ao ny nidoboka am-ponja vonjimaika,… Mandeha sahady ny kiana fa misy ambadika fampanjakana ny tsy maty manota io. Firifiry moa ny depiote manana dosie maloto izay mialokaloka ao ambadiky ny “immunité” ka dia hampiana ny ben’ny tanàna ihany koa? Sao dia mba làlana mizotra any amin’ny fanjakan-jiolahy mihitsy?
NY HCC SISA NO ERANY ?
Tsiahivina, fa efa nisy ny taratasy nalefan’ny SMM (Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara) nakany amin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona ny 22 aprily 2022 teo mikasika ny fidirana an-tsehatra momba ny raharaha mahakasika ireo ben’ny tanàna any am-ponja. Anton’io ny fisian’ilay resaka hoe: hampiantso ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Bianco ary ny PAC mba hahafahana mijery vahaolana mikasika ireo ben’ny tanàna notanan’ny PAC am-ponja vonjimaika ny Filohan’io andrim-panjakana io. Nitaky ny fisaraham-pahefana sy ny fitsabahana amin’ny raharaham-pitsarana ny SMM tamin’izay. Ankehitriny, navadika ho tolo-dalàna niainga eny amin’ny Antenimieram-pirenena ity resaka zo tsy azo henjehina ho an’ny ben’ny tanàna ity, ary ho lany mora fotsiny ihany koa eny amin’ny antenimierandoholona rehefa zohiana. Any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC sisa no erany ao anatin’ny fandinihana hoe: mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ve sa tsia ny tolo-dalàna iray ? Ara-politika mantsy, tomabana hanaiky mora an’io fotsiny ny Filoha mba ho pimaso politika amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, ka mety ho mora ihany koa ny fampananan-kery ilay lalàna na “promulgation”. Hanao ahoana ny tohiny?
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap
27-mars-2024

Vaovao politika nalaza tao anatin’ny 48ora farany ny fanambarana politika

Card image cap
27-mars-2024

Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataona parlemantera vitsivitsy,

Card image cap