Nihaona tamin’ireo mpianatra tao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga Ny Filohan’ny Firenena RANDRIANIRINA Michaël omaly. Izy izay nidina ifotony nijery ireo vahoaka traboina tao anatin’ny telo andro. Naseho mazava ny olana sy fanamby iainan’ny tanora ary ny vahaolana natolotry ny Fitondram-panjakana. Nanentana ny mpianatra ho saro-piaro amin’ny tolona ny Filoham-panjakana, nanamafy fa misy ny fikasana hanakorontana amin’ny alalan’ny fanaparitahana vola, ka tsy tokony ho resaka pôlitika no hanimbana izany. Nandritra ny fifanakalozan-kevitra dia naneho ny fahavononany izy hanampy amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa toy ny efitrano fianarana sy ny trano fonenan’ny mpianatra, na dia tsy ho vita vetivety aza izany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PADEVE II nanomboka tamin’ny taona 2025 ny fanamboarana ny lalana rehetra ao Mahajanga, anisan’izany ny lalana mankany amin’ny oniversite. Nampahafantarina ihany koa ny fananganana Vaomiera nasionaly hiarahan’ny oniversite sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny hamaha ny olan’ny tanin’ny oniversite, ny fanampiana amin’ny rano amin’ny alalan’ny forage vaovao, ary ny fanatsarana ny fidirana amin’ny internet izay efa ao anatin’ny fandaharanasan’ny fanjakana. Nanamafy ny Filoham-panjakana fa manara-maso akaiky ny olan’ny diplôma fôsika izy satria maro ny tanora manana mari-pahaizana nefa tsy an’asa. Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Fanavaozana ny Repoblika ihany koa ny fanovana ny trano mora ho trano ho an’ny mpampianatra eny amin’ny EPP amin’ny alalan’ny antsapaka, mba hitsinjovana ny tsy fananan’izy ireo fahefamividy. Notsindriana fa tsy ampy ny mpandraharaha eto an-toerana ka ilaina ny misintona mpandraharaha avy any ivelany hampiasa vola eto Madagasikara. Ny fanavaozana fototra dia tsy ho vita ao anatin’ny roa na telo taona fa miainga amin’ny fanovàna toe-tsaina manohitra kolikoly sy fialonana, hoy hatrany ny Filoham-panjakana. Amin’ny lafiny ara-bola dia nambara fa tamin’ny taona 2024 dia nihena ny vola niditra tamin’ny hetra noho ny faneriterena ny mpandraharaha, saingy tamin’ny 2025 dia nahavita nitombo 20% tao anatin’ny roa volana farany ny governemanta. Efa voavaha ny 1/3-n’ny trosan’ny mpampianatra amin’ny Fanjakana, ary eo am-pamolavolana ny fampiakarana ny indemnité de logement sy indemnité de craies. Ankoatra ny fampiakarana karama 14% dia efa voahitsy ny fanomezana tambin-karama na prime 310.000 ariary ho an’ny mpiasam-panjakana rehetra. Ireo tarehimarika sy teboka teknika ireo dia manaporofo fa eo am-pametraka fototra ny Fanavaozana eto Madagasikara, na dia mbola lavitra aza ny lalana.
Toky R