airtel

Politique

24-juin-2022

Politique

Ninie Donia Manao 26 jona any am-ponja

Sample post image

Notsaraina omaly alakamisy 23 jona 2022 i Ninie Donia mpitarika ny Vovonan’ny mpanohitra RMDM any Nosy Be, kandida depiote TIM tamin’ny fifidianana, filohan’ny Fikambanana Zafiny Fotsy,

24-juin-2022

izay naiditra am-ponja vonjimaika nanomboka ny 16 jona lasa teo niaraka tamin’olona am-polony. Mbola naiditra am-ponja niaraka tamin’izy ireo ny Filoha lefitry ny DISTIM any Nosy Be vao andro vitsy izay. Marihina hatrany fa nitarika ireo vahoaka hijoro hanohitra ny ambarany fa fakana an-keriny tanim-bahoaka, fivarotana tany amin’ny mpanam-bola na vahiny na teratany,… Vesatra hanenjehana azy koa ny fanirahana olona hibodo tany (association de malfaiteurs), tondrona ho nanao “escroquerie” noho ny fanaovana tsipaipaika ara-bola hanaramana mpisolovava hiaro ireo manan-tany lasan'olona. Orinasana karana no voalaza fa mpitory hatreto. Ny 30 jona izao ny didy mivoaka, izay heverina fa mety misy kajikkajy mba tsy hanelingelina ny fetin’ny 26 jona. Any am-ponja izany I Ninie Donie no mankalaza ny fetin’ny fahaleovantena. Mandeha mantsy ny resaka fa halentika sy hopotehina satria manelingelina. Taorian’ny fanagadrana an’I Ninie Donia, nisy ny hetsika nataon’ireo mponina ny ampitson’io, nanao filaharam-be niazo ny fonja. Mbola nitohy indray ny 20 jona teo, izay nafampana satria niakatra avo roa heny ny vahoaka nitaky ny famotsorana azy. Raikitra ny fandravana nataon’ny mpitandro ny filaminana, ka nisy ny voasambotra, nisy ny naratra,… Tonga tany Nosy Be moa ny mpitondra teny sady Filoha lefitry ny RMDM Pasitera Édouard Tsarahame amin’ny maha olon’ny RMDM an’I Ninie Donia. Nahetsika avokoa ireo mpitandro filaminana avy amin’ny EMMO omaly tao Nosy Be noho ity raharaham-pitsarana nandeha ity. Izay hetsika politika mety mandeha moa dia sokajiana ho asa fanakorontanana avokoa. Omaly, nisy ny karazana fampitandremana nataon’ny Minisitry ny fiarovam-pirenena Jeneraly Rakotonitrina Richard izay nilaza fa sokajiana ho fahavalom-pirenena avy hatrany ireo ambarany fa manao fanakorontanana, ary efa mandray fepetra sy miantrana ny Emmo-nat. Heverina fa mifandraika amin’izany ny fiantranana any Nosy Be satria matahotra fipoahana ihany koa ny Fanjakana.


Namoronana an'ireo vesatra ireo i Ninie Donia mba hitazomana azy satria izy manana dosie milaza fa an'ny razambeny (Zafinifotsy) ny tany lazaina fa an'ny Karana mitory azy io. Nanao fitoriana na « contre-plainte » rahateo ry Ninie Donia saingy arirarira tsy mandeha ny fitoriany, hoy ny fanamarihana voaray.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap