airtel

Politique

26-juil-2021

Politique

Nivatratravatra ny mpanohitra « Miala ny Filoha, atsangana ny Repoblika faha 5 »

Sample post image

Nahitsy ary tsy nihambahamba ny mpanohitra nikaon-doha tetsy amin’ny Espace Ri La Tsio ny sabotsy teo nilaza 23-24 jolay teo,

26-juil-2021

 fa noho ny fanitsakitsahina miverimberina ny lalàmpanorenana sy ny tsy fanajàna ny fianianana izay nataony milaza hoe “Hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-panjakana” dia takiana ny fialan’ny filoha ny Repoblika ho antoky ny fametrahana firenena tan-dalàna. Ravana ny lalàmpanorenana ary atomboka ny fandinihana ny lalàmpanorenana vaovao andraisan’ny rehetra anjara mba hidirana any amin’ny Repoblika faha-dimy. Mitaky ihany koa fialan’ireo mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana ka soloina mpikambana vaovao izay ny mpitsara no tokony hifidy azy ireo, ary apetraka ireo rafim-pitsarana mahaleotena. Mitaky ny fametrahana ny demokrasia sy ny fanajàna ny zon’ny tsirairay haneho hevitra malaka sy hanao famoriam-bahoaka. Sokafana ho an’ny rehetra ka tafiditra amin’izany ny mpanohitra ny haino aman-jerim-panjakana dia ny RNM sy TVM izany. Averina amin’ny tena asany ny mpitandro filaminana fa tsy atao herim-pamoretena. Takian’izy ireo ny famoahana tsy misy hatak’andro ireo gadra politika rehetra. Atao laharam-pahamehana ny sosialy, famoronana asa ka tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana ireo orinasa Malagasy madinika sy salantsalany izay tena manome asa haingana ny vahoaka. Atao laharam-pahamehana ny fanodinana ireo akora misy eto an-toerana. Tsy maintsy ampitomboina ny famokarana herin’aratra amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina Atao laharam-pahamehana ny fanampiana ireo tantsaha amin’ny fanarenana ireo fotodrafitrasan’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny famatsiana zezika sy masomboly. Avaozina ny rafim-panabezana ka tafiditra amin’izany ny fananganana sekoly, fanofanana ireo mpampianatra ary ny fampitaovana ireo sekoly rehetra. Averina ny « instruction civique » any an-tsekoly. Hatsaraina ny lafiny ara-pahasalamana toy ny fampitaovana ireo mpiasan’ny fahasalamana sy tobim-pitsaboana rehetra mba ahafahana miatrika ny valan’aretina rehetra toy ny Covid-19, ny pesta, ny tazomoka, sns. Amin’izao ady amin’ny Covid-19 izao dia takiana ny fanaovana vaksiny ho an’ny daholobe na ny “vaccination de masse” izany mba ahafahana miaro ny ain’ny Malagasy ary hanarenana haingana ny ara-toekarena. Mitaky fanaovana “audit” ny famatsiam-bola nampiasana tamin’ny ady amin’ny Covid-19 tamin’ny 2020. Mitaky ny fanatsarana sy ny fanaovana mangarahara ny fitantanam-bolam-panjakana ka hamafisana amin’izany ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ny sampan-draharaham-panjakana rehetra aty amin’ny foibe ka hatrany amin’ny faritra sy ny kaominina. Mitaky ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy mba hisian’ny fampandrosoana mitovy isam-paritra na ny dévelopment équitaéquitable.
“REHEFA TSY MANAJA DIA MIALA”
“Ny firenen-drehetra voan’ny covid-19 daholo, fa tafavoaka daholo fa isika mbola gisitra? Tsy maintsy hatao izay hanaparitahana ho ren-tany ny zavatra tapaka. Niresaka tamin’ny Masoivoho sy ny mpamatsy vola nialohan’ny fivoriana, ary tsy maintsy tonga any ny fehin-kevitra. Aza matahotra, fa ho henon’izao tontolo izao satria tena tsy mety, tena tsy mety, tsy mendrika ny fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana. Mialohan’ny handraisana ny fahefana dia nihaniana hoe eto Anatrehan’Andriamanitra dia hanaja toy ny anakandriamaso ny lalàmpanorenana, ary efa teo aho. Rehefa tsy manaja izany dia miala”, hoy I Marc Ravalomanana teo am-pamarana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap