airtel

Politique

30-déc-2021

Nomena naoty 3,81

10 ny kaominina 698 Ary mba firy no mendrika ny Fanjakana foibe?

Sample post image

Kaominina 698 no nahavitan’ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana fanadihadiana momba ny fitantanana ifotony, tamin’ny alalan’ny Sampana fanaraha-maso ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana

30-déc-2021

 ifotony (ODDL), tohanan’ny PAPSP (Projet d’Appui à la Performance du Secteur Public) tetikasan’ny Banky Iiraisam-pirenena, hoy ny tatitra. Naoty 3,81/10 no azon’ireo kaominina ireo rehefa nohadihadina ny tondron’ny fitantanana ifotony na IGL (Indicateur de Gouvernance locale). Anisany anomezana naoty amin’izany ny fahaizana manetsika ny loharanon-karena anatiny, ny fampihodinana ny asa andavanandro, toy ny sora-piankohonana…, eo koa ny fitantanam-bola sy ny tsenam-baro-panjakana eo anivon’ny kaominina. Nambara fa tanjona ny hahavitana ny fanadihadiana amin’ny kaominina rehetra (1695) manerana ny Nosy hatramin’ny taona 2023. Kendrena ao anatin’izany ny hahazoan’ny antsasaky ny kaominina naoty 6/10 fara-hafakeliny. Entanina ihany koa ny kaominina tsirairay mba hiroso amin’ny fanombanan-tena (autoévaluation IGL), mba hahafahanany manangana drafi-panarenana sy fampandrosoana raha misy ny lesoka, hoy ny tatitra. Kaominina 450 no efa nanao izany, raha 400 kaominina no tanjona ny taona 2021. 5,39/10 no naoty azon’ireo kaominina nanao “autoévaluation IGL” ireo. Nambara fa nirosoan’ny minisitera ny fametrahana ny Rafitra Ifoton’ny Fikaonan-doha RIF na SLC (Structure Locale de Concertation) eo anivon’ny kaominina, izay voalaza tamin’ny fanavaozana ny lalàna mahakasika ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Tanjona ny handraisan’ny rehetra anjara amin’ny fampandrosoana… Nanomboka ny 2015 hatramin’ny 2021 dia kaominina 14016 no nahavitana fanentanana amin’ny fananganana ny RIF. 761 amin’ireo no efa nametrahana ny RIF, ary 284 no efa mihodina tsara. Misy ny boky toro lalana narafitra ary havoaka tsy ho ela.


Isan’ny mbola lesoka be ny fitsinjaram-pahefana sy fitsinjarana ara-bola eto amintsika. Mivangongo any amin’ny rafitra aty ambony, tsy mipaka eny ifotony, ny any ambany indray no mbola trongisina hamelona ny aty an-tampony izay toa manao ampihimamba sy izay saim-pantany amin’ny vina sy ny tetikasa ambara fa fampandrosoana. Lojika raha ratsy ny naoty eny ifotony. Ary mba firy ny naoty mendrika ny Fanjakana foibe?
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap