airtel

Politique

14-janv-2022

Politique

Ntsay Christian sy Tinoka Roberto Tratry ny “be manaiky ?

Sample post image

Tsy mba re feo tamin’ireo raharaha mafana mikasika ny departemanta sahaniny avy ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay Christian sy ny Minisitry ny fitaterana Atoa Tinoka Roberto.

14-janv-2022

Ny Praiminisitra no minisitry harena an-kibon’ny tany vonjimaika taorian’ny fametraham-pialan’Atoa Brice Randrianasolo ny 18 aogositra 2021. Efa ho 5 volana katroka izany no nitantanany io departemanta io. Nisy ny raharaha nangotraka momba ny resaka fanondranana harena an-kibon’ny tany tao anatin’izay fotoana izay raha tsy hilaza afa-tsy ilay raharaha safira mitentina 500 000 dolara teny Ivato ny oktobra 2021, izay nisy akony tany amin’ny resaka asam-panjakana momba ny fanomezan-dàlana hanondrana vato. Ny raharaha fanondranana volamena sarona tany Seychelles ny volana oktobra, ny sarona tatsy Kaomoro ny volana desambra,… Toa tsy nahitan-teny ny Praiminisitra izay sady lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana no minisitry ny harena an-kibon’ny tany. Nangina tanteraka io tompon’andraikitra ara-panjakana io, indrindra fa manoloana ny fanondranana tato ho ato. Lojika ve izany hoe: ianao mangina sy mipirina kanefa ny departemanta sahaninao misy raharaha be mipoaka? Safidy ve ny hangina sa nomena toromarika tsy hiteny? Toy izany ihany koa ny Minisitry ny fitaterana Atoa Tinoka Roberto izay niteraka adihevitra ny tsy fahitana azy tamin’ireny raharaha faharendrehan’ny Sambo Francia III namoizana ain’olona maro ireny. Nivoaka moa ny taratasy milaza taoriana fa noho ny antony ara-pahasalamana satria nandalo faharerahana. Io ihany koa anefa ny adihevitra momba ny teleferika izay mivadika raharaham-pirenena, saingy ny minisitra tompon’andraikitra voalohany no tsy handrenesam-peo mihitsy. Nasaina nangina sy mijanona ho haingon-tsehatra ve? Mifanohitra amin’izay anefa ilay adihevitra tato anatin’ny 48 ora farany momba ny fanehoan-kevitry Sekrteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena toa nitodika kokoa tamin’ny politika izay ny azy no nalefany raha toa ka tsy rototra ny lehibeny dia ny Minisitry ny fiarovana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap