airtel

Politique

15-avril-2022

Politique

Ny andrasana amin’ny fitondrana Maneho ny heviny ny olom-pirenena

Sample post image

Tokony hifantoka amin’ny tena laharam-pahamehana, tsy misy ho antenaina aminy intsony, hafa ny lazain’ny vava, hafa ny ataon’ny tanany.

15-avril-2022

Ireo amin’ny ankapobeny no matetika heno amin’ireo olom-pirenena rehefa maneho hevitra mikasika ny fitantanana ny firenena ankehitriny. Hoy izy ireo;
Rahajanirina Notahianjanahary Rica, mpianatra, manomana fifaninanana
“Ho ahy manokana izao ny andrasako amin’izao fitondram-panjakana izao amin’ny maha mpianatra dia ny mba haha entitra ny fanaraha-maso hampihena na tsy hisiana kolikoly intsony any amin’ireo fifaninanana idirana ho mpiasam-panjakana. Eo koa ny fametrahana amin’ny toerany izay tena tokony ho laharam-pahamehana fa tsy ifantoka amin’ilay ataontsika hoe endrika ivelany fotsiny.”
SARY 1
Fifi Razakason, mpampianatra
“Raha izao manokana dia tsy miandry na inona na inona intsony amin'io satria efa fantatra fa hafa ny lazain'ny vava ary hafa ny ataon'ny tanana. Toy ny hoe tsy misy drafitra maty paika ho entina hiadiana izao fahasahiranana mahazo ny Malagasy izao. Ankoatra izay, efa hay koa hoe tsy hampiova na inona na inona eo amin'ny fiainan'ny malagasy io fitondrana io satria tsy maintsy hanala ny trosa tamin'ny fifidianana sy ny Covid aloha ary ny hafa izay tsy fantatra.”
SARY 2
Nanangona sy nandrindra: J. Mirija
 

 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap