airtel

Politique

04-août-2021

Politique

Ny krizy efa mamely Mbola be vava ihany ny TGV MAPAR

Sample post image

“Ny Fitondrana misy ankehitriny dia mijoro ara-dalàna, nankatoavin’ny vahoaka Malagasy sy ny iraisam-pirenena, ka tsy ekena ny fikononkononana korontana na avy aiza na avy aiza

04-août-2021

 ka aoka samy ho tony hiandry ny fotoam-pifidianana manaraka, toy ny fahita any amin’ny firenena rehetra mandala ny demokrasia. Ilaina ve ny mampahatsiahy fa ny fanovana Repoblika izany, dia tsy maintsy mandalo dingana maro raha te ho tany tan-dalàna isika, ary indrindra ao anatin’izany ny fitsapankevi-bahoaka”, hoy Rtoa Christine Razanamahasoa. Manangam-bovona sy manome lesona toa miantefa amin’ny mpanohitra ny TGV-MAPAR hoe: aza mifampikitikitika fa miandrasa fifidianana. Tsy te hiaiky ny lesoka samihafa, ny krizy amin’ny endriny maro tsy voavaha, fa toa mbola be vava eo anatrehan’ny fanambaran’ny mpanohitra andaniny, izay mitaky ny fialan’ny Filoha sy ny fidirana amin’ny Repoblika faha-5, araka ny fehin-kevitra tamin’ny fikaonan-doha teny amin’ny Espace Ri La Tsio Buffet By Pass ny 23-24 jolay 2021 lasa teo. Fandikana miverimberina ny lalàmpanorenana no isan’ny nambaran’ny mpanohitra ho antony voalohany tokony hialan’ny Filoha. Manome lesona izany ny TGV-MAPAR aty amin’ny 12 taona taorian’ny fanonganam-panjakana tsy nahandrasana fifidianana tamin’ny 2009, nizotra nankany amin’ny fanovana Repoblika sy lalàmpanorenana nolaniana tamin’ny karinem-pokontany ary izy ireo aza no tena tsy manaja izany. Isan’ny kianin’ny mpanohitra mafy ny tsy fanajana ny andininy faha-14 amin’ny lalàmpanorenana mikasika ny fiantohan’ny Fanjakana ny hisian’ny fanoherana sy ny lehiben’ny mpanohitra, izay efa nisy lalàna lany (2011-013) efa 10 taona saingy niniana tsy nampiharina. Manome lesona hiandrasana fifidianana ny mpitondra ankehitriny, saingy ny taona 2018, dia isan’ny nitarika ny fanonganana an-dRajaonarimampianina, nilanja vatapaty teny amin’ny 13 mey. Sanatria fivoizana ny hisian’ny fifamaliana faty na fanonganana, ary mila maka lesona amin’ireny aza isika satria tsy nahasoa io. Na izany aza, tsy mendrika ary tsy tsara toerana hiresaka sy hanome lesona na hanao vava amina fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika izany I Andry Rajoelina sy ny ekipany. Ny zava-miseho eto rahateo dia toa ny ao anaty Fanjakana ihany no mifamingana sy mifamely, fa tsy ny mpanohitra. Ny resaka famonoana ny Filoha dia olona akaiky azy aloha ny ankamaroan’ny voatonontonona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap
19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap