propagandy. Fifidianana solombavabahoaka dia mampiasa ny anaran'ny filoham-pirenena ireo kandida amin'ny afisy, sahala amin'ny hoe filohan'antoko ilay filoham-pirenena. Dia misy minisitra na kandida manana «call center», izany hoe, ireny orinasa misehatra amin’ny fifandraisan-davitra ireny dia ampiasainy tsara ny toro manokan'ny olompirenena hanaovany propagandiny sy ny sisa tsy voatanisa. Mety tokoa ve izany rehetra izany? Manaraka ny lalàna mifehy ny fifidianana ve? 1 andro mialohan’izao fampielezan-kevitra izao moa ny filohan’antoko iray no nampahatsiahy fa andrim-panjakana izany filoham-pirenena izany. Iaraha-mahita anefa io ankehitriny fa ampiasain’ny vondrona politikan’ireo kandidam-panjakana mihitsy hisalotra ny anaran’ilay vondrona izany anarana andrim-panjakana izany. Etsy ankilany dia mitaraina koa ny kandida sasany, toy izay hita teny Atsimondrano ny faran’ny herinandro teo, ohatra, fa misy manala hatrany ny afisin’izy ireo. Aiza ny fampanantenana nataon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC izay nilaza fa tsy hisomonga manoloana ireo trangana tsy fanarahan-dalàna mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana? Hita ho tazanim-potsiny hatreto, araka izany ny tsy fifanajana sy tsy fanajana lalàna anaty propagandy. Hay tokoa moa aho mbola eto Madagasikara, manofy ririnina hatreto mieritreritra fa hiainga avy ambony amin’ny alalan’ny mpitondra ny ohatra amin’ny fampiharana ny fanjakana tan-dalàna!
Tia Tanindrazana
Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy
Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.
Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao
Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».
Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,
Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara