airtel

Politique

11-janv-2022

Politique

Olana ao Andekaleka Sao dia mba tetika efa tsara omana ?

Sample post image

Tsy finiavana hanakiana befahatany, fa kosa misy zavatra tsy mazava sy tsy milamina mikasika ny raharaha Toby famokarana herinaratra ao Andekaleka.

11-janv-2022

 Raha zohiana ny tantara, ny 31 desambra 2021 no nanome toromarika ny Jirama momba ny fanatsarana ny tolotra mikasika ny herinaratra sy ny rano ny Filoham-pirenena. Fotoana fohy taorian’io, dia ny mifanohitra amin’izay no nitranga satria nirehitra ny « Transformateur » mamoaka herinaratra 30MVA. Niteraka fahamaizan’ny “cable” mitondra herinaratra, tsy nahafahana nifehy ny fitaovana mampiditra rano manodina ny milina ka nahadobo rano ny toby,… niteraka fitsaharan’ny famokarana 90MW tanteraka. Nilaza ny Jirama, fa noho ny fahanteran’ny fitaovana no antony. Naneho kosa ny Minisitry ny fitsarana ny 06 janoary ary nohamafisin’ny Filoham-pirenena ny 8 janoary fa heverina ho toy ny fandorana niniana natao na “incendie criminel”. Fa ny tena mahazendana sy mampametra-panontaniana dia ny hoe: ny 02 janoary no nirehitra Andekaleka, ny 06 janoary 2022 dia efa hoe: tonga ny fitaovana 17 kaontenera. Tsy hay hoe avy aiza fa dia nivoaka tao amin’ny Seranantsambon’i Toamasina. Tena haingana be anie izany ny jirama nanao tombana na “inventaire” hoe: inona sy inona no simba dia nandefa kaomandy dia voavaly haingana be dia nandeha mafy be ny sambo nitondra ireo fitaovana? Sa nalaina tao La Réunion na Maurice ireo fitaovana? Tena tsy mampino raha hoe: fitaovana novidiana tany Eoropa dia ho tonga afaka telo na efatra sambo. Sa fitaovana efa tao fa niandry an andekaleka ho may fotsiny? Toy ny hoe : efa nomanina tao fa ho simba Andekaleka. Tsy mampino ny fotoana, hany ka toa mametraka ahiahy hoe: zavatra efa nomanina sy namboamboarina ny zava-drehetra, ary lalaovina any amin’ny serasera hoenti-maneho sy manasongadina Fitondram-panjakana na Filoha iray.
KETREHINA HO AN’NY TSY MIANKINA ?
Tsy ny famahana olana ny ratsy, izay isaorana ny Fitondram-panjakana amin’izay ezaka asehony. Tsy takona hafenina kosa ny tsy fisian’ny mangarahara na “transparence” sy ny fitantanana mangaraharaha na “bonne gouvernance”. Mampametra-panontaniana ny momba ireo fitaovana nipoitra tampoka hoe: avy amin’ny Fanjakana, novidiana tamin’ny volam-panjakana ve? Sa kosa fitaovana avy amin’ny tsy miankina ary tsy miankina iza? Inona no tambiny sy ny tamberiny raha izay? Misy tsy miankina efa mikendry sy dodona te hahazo ny resaka angovo sisa tsy eo am-pelatanany eto, ka isan’izany io Andekaleka io, maro ireo mitsiriritra an’io ka sao dia efa misoko miadana ny resaka “privatisation” eo anatrehan’ny endriky ny tsy fangaraharana miseho ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap