sekreterra jeneralin’ny antoko MFM izay hankalaza ny faha 50 taonany amin’iy 2022 ity moa.Raha raisina amin’ny resaka baolina kitra satria izay no malaza amin’izao fotoana dia tokony efa nomena karatra mena ary nesorina teny ambony kianja ny praiminisitra ankehitriny, hoy i Olivier Rakotovazaha satria tsy nahavita ny asany sady nitarika savorovoro.Ny mba tsy hitanila amin’ny atsy na ny aroa ka hikarakara fifidianana madio sy mangaraharaha no antony nanendrena azy tamin’ny 2018 kanefa dia ireny niaraha-nahalala irey ny “doublon”, zavattra tenaa nisy io fa tsy hoe angano fa raha ny fanadihadiana nataonay teo anivon’ny Antenimierandoholona tamin’izany fotoana dia nisy ny laharana kaarapanondro tena niverimberina niova tao anaty lisitra fa ny anarana no niova.Ny laharana karapanondro iray ohatra tsikaritra fa niverina in-telopolo be izao, raha ny filazany.
AHIAHINA KORONTANA
Manahy korontana mialohan’ny fifidianana izahay raha mbola tahaka ireny teo aloha ireny ny fomba fiasa, hoy i Olivier Rakotovazaha izay anisan’ny ao anatin’ny hetsiky ny mpanohitra Vondrona Panorama moa.Izay no antony tsy maintsy hanavaozana manontolo sy tanteraka ny lisi-pifidianana manerana ny nosy ka takiana mba olona nofidiana no hitantana ny fanatanterahana izany eny anivon’ny fokontany fa tsy olona notendren’ny fanjakana.Tokony mahavita mametraka an’izany ny CENI raha tena mahaleotena marina, hoy izy .Ankoatr’izay zavadehibe ny fanatanterahana ilay fikaonan-doham-pirenena ka ao no hametrahana ny fandaminana rehetra.Tokony lalana iray ihany no mifehy ny fifidianana rehetra tanterahana eto Madagasikara fa tsy miovaova tahaka ny iainana amin’izao fotoanam hoy i Olivier Rakotovazaha.Izahay mpanohitra dia manana volavolan-kevitra misy andininy miisa 600, hoy izy azo dinihana miaraka io ka teny ierana no handrafetana ny fehin-kevitra farany.Ao mba ny mpifidy no ho tompon’ny teny farany, hoy izy ary tena resaka vinam-piarahamonina tsapa hampivoatra ny fiainam-bahoaka sy hampandroso ny firenena no hibaiko ny safidy fa tsy resaka tsangan’olona sy fampisehoana mandritra ny propagandy.
Tokony hitovy ny tombotsoa sy erijika ananan’ny kandida tsirairay avy fa tsy hoe ny sasany mandeha elikoptera dia ny sasany mitaingina sarety.Ary tokony ho tonga eny am-pelatanan’ny mpifidy manerana ny nosy ny fandaharanasa sy vinam-piarahamonin’ny kandida rehetra mba hahafahan’ny olom-pirenena misaina sy mandinina tsara mialohan’ny latsa-bato raha ny hevitri Olivier Rakotovazaha, ka mila arindran’ny fanjakana sy ny CENI ny fanatanterahana izany.
RTT
Hafahafa hatrany ny politikam-pitantanana asehon’ny Fanjakana Rajoelina. Miankina amin’ny tombotsoa politika ny laharam-pahamehana,
Sarotra ny miresaka amin’izao fotoana izao, hoy ny filohan’ny fikambanana Vahaolana anio sy rahampitso, Jerry Rakotoarijaona,
Diso tanteraka ny hoe: hanongam-panjakana ny mpanohitra raha mamory vahoaka etsy amin’ny Kianjan’ny Magro, ary tsy hisy Fanjakana hiongana amin’ny resaka kabary fotsiny izany satria maneho ny heviny sy ny fahitany ny
Ny vovonan’ny tanora mpitolona tia tanindrazana na JPRM dia tena manara-baovao ary mijery sy miaina ny raharaham-pirenena misy eto Madagasikara, hoy ny mpikambana ao aminy, Rivellino Ravelomahazo.
Mihasarotra hatrany ny toeran’ny Fitondrana Malagasy na ho an’ny politika anatiny na ny ivelany. Ny ato anatiny, ambony ambany, tsy misy politikam-pitantanana anatiny tsy mazava,
Manana ny fahaiza-manaony sy ny nampiavaka azy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, manana ny tantaram-pahombiazana ara-piainana na “success story” izay nideran’ny maro azy izy,