airtel

Politique

17-juin-2021

Politique

Olona lavo rehefa misy fihetsiketsehana Matimaty foana sy vitavita ho azy hatrany

Sample post image

Tsy natao hankahalana na hanenjehana ny mpitandro filaminana sanatria, fa maro ireo toe-javatra niteraka adihevitra

17-juin-2021

 

 tato ho ato nahavoatonontonona azy ireo, izay mila jerena. Nahery vaika ny fampiasan-kery tamin’ny fihetsiketsehan’ny mpianatra, toy ilay tany Toamasina nahafatesana tovolahy iray vao erotrerony tamin’ny 18 febroary. Toa narirarirara tamin’ny hoe : « tifi-danitra » sy ny hoe : hosokafana ny fanadihadiana raha nisy ny fahadisoan’ny mpitandro ny filaminana. Mandrak’ity ny androany, 4 volana katroka rahampitso ny raharaha, saingy moa mba nisy tohiny ve ny fanadihadiana natao ? Matimaty foana toy ny valala nosamborim-boka sy vitavita ho azy. Ny Fanjakana no fositra voalohany satria ny tsy famahana ny olana no miteraka ny fitokonana sy ny fitakiana, izay mbola miverina sy mitohy mandrak’ankehitriny, saingy tsy maintsy mampiasa hery aloha vao miditra amin’ny kabary ambony latabatra hoenti-milaza fa eo am-pamahana ny olana. Toa terena hifandramatra amin’ny mpanao fitakiana ny mpitandro ny filaminana, kanefa ny Fanjakana no tsy mahavaha olana. Io indray izao omaly, fa niteraka famoizana ain’olona ny fifandonana. Mety hoboriboriana amin’ny hoe: “tsy mpianatra”, “mpikarama an’ady”,… saingy tsy manan-jo handatsaka ain’olona ny mpitandro filaminana na ny koa ny tompon’andraikitra ara-panjakana mety nanome baiko ny fitifirana. Tsy natao hanamelohana ny mpitandro filaminana, fa ny fitsarana no tompon’ny teny farany raha ho tonga amin’izany. Voambolana tsy hita izay maharatsy azy ilay hoe: “nosokafana ny fanadihadiana”, saingy mahakely finoana ny hivoahan’ny tohiny, ary tsy hisy hanaiky diso izany eto. Fositra foana ny Fanjakana na ny olona ambony tsy mahavita ny asany, ka lasa mampifandrafy ny mpianatra na ny mpiasa amin’ny mpitandro. Mbola resaka herisetra hafa naha voatonontonona ny tafika ihany koa ilay raharaha nahafatesana tobolahy 15 taona teny Ivato, izay nodisoin’ny Etamazaoro ny fanondroana ny Miaramilan’ny BANI ho tompon’antoka. Toa nanova zavatra anefa ny fisian’ilay tovolahy iray niharan’ny herisetra fa tsy maty, izay nanitrikitrika fa ny miaramila no nampijaly azy ireo. Hatramin’ny omaly, tsy mbola nisy aloha ny fandisoana nandeha. Hivoaka ve ny marina amin’ny toy ireny sa ho vitavita ho azy hatrany amin’ny ilay fomba fiteny hoe: “efa mandeha ny fanadihadiana”?

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap