airtel

Politique

06-déc-2021

Politique

Olona te ho ambasadaoro Dosie 303 no voarain’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny

Sample post image

Ny 11 novambra 2021 no nosokafana ny antso fiantsoana fametrahana antontan-taratasy ho an’ireo te hotendrena ho Ambasadaoron’i Madagasikara any ivelany nataon’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny.

06-déc-2021

 Notanterahina ny 3 desambra lasa teo ny fanokafana ireo atontan-taratasy niaraha-niasa tamin'ny solontenan'ny Bianco sy ny vaditany. Miisa 303 ny atontan-taratasy voaray, raha ny tatitry ny Minisitry ny raharaham-bahiny Patrick Rajoelina ny sabotsy 04 desambra teo. Natomboka avy hatrany ny fijerena tsirairay ireo antontan-taratasy. Aorian'izay, ireo rehetra mameno ny fepetra notakiana sy manana ny fahaizana mifanaraka amin'ny andraikitra hosahanina, dia hoaterina anivon'ny Fiadidian'ny Repoblika, hoy ny fanazavana. Marihina fa ny Filoham-pirenena irery ihany no manana ny fahefana hanendry ireo Masoivoho hisolo-tena antsika any ivelany araka ny voalaza ao amin'ny andininy faha 57 anatin'ny Lalàmpanorenana. Endrika iray maneho ny tsy fahamatoran’ny Fanjakana Rajoelina ny fitarazohan’ny fanendrena masoivoho, kanefa dia mailaka dia mailaka nanala ireo ambasadaoro maro tany ivelany fotoana fohy taorian’ny nahazoana fahefana. Telo taona aty aoriana, zara raha nisy 5 teo ny ambasadaoro voatendry. Toerana sy firenena stratejika manodidina 13 na 14 tsy mbola hananantsika masoivoho hatramin’izao. 3 taona aty aoriana tsy mahatafapetraka ambasadaoro, izay porofon’ny tsy fahavonona hitondra firenena, tsy manana olona, ary sambany tao anatin’ny 60 taona izany hoe: Fanjakana manangona “CV” izany mba hijerena izay mety ho azo atao ambasadaoro.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap